SITE
RADIOS  
LITORJIA 26 février 2012
2007-2012
FANOKAFANA NY FANKALAZANA NY FAHA-DIMY TAONA
ATHIS FANANTENANA
Your browser does not support the audio tag.
RAKI-TSARY
IANAO NO
MPITSIDIKA FAHA
Dico
Malagasy-Ffrançais
Baiboly Malagasy
Teny Fanolorana  
 
                  Miarahaba sy mirary soa ary misaotra anao  amin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompontsika, mitsidika ny tranokalan’ny Fiangonana FPMA Athis-Fanantenana.
 
                        Ny Fiangonana  Fpma Athis-Fanantenana, dia fiangonana mino sy manaiky ary mampianatra fa  Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra velona no Tompo sy Mpamonjy ;ary nyTenin’Andriamanitra voasoratra ao amin’ny Baiboly  no fototra iorenan’izany finoana sy ny fampianarana izany.
 
                        Jesosy Kristy, Tompo sy Lohan’ny Fiangonana dia manome asa sy maniraka ny Fiangonana hoe : « Mandehàna any amin’izao tontolo ianareo, ka mitoria ny Filazantsara amin’ny olombelona rehetra » (Marka 16 :15).
 
                        Ny zava-kendrena dia ny fampielezana ny Filazantsaran’i Jesosy Kristy, ny fanabeazana sy fampiorenana amin’ny finoana sy ny fiainana kristianina ary ny fijoroana ho vavolombelon’ny fahamarinan’Andriamanitra amin’ny teny sy ny fiainana ary ny asa.
 
                        Koa inoana fa fitaovana iray ahafahana manantanteraka izany ny sehatra tahaka izao sady natao koa ho fampahalalam-baovao sy fifaneraserana ary fifanakalozana eo amin’ny samy kristiana  ato amin’ny sahan’ny Fpma sy ny any ivelany.   
 
                        Dia manasa  sy  mampirisika  anao amim-panajana  mba hazoto hitsidika tsy tapaka ity tranokala ity.   
 
                        Ny Dera sy ny Laza ary ny Voninahitra anie ho an’Andriamanitra Ray, Zanaka ary Fanahy Masina.Amen !  
 
Ny Mpitandrina
Verset du jour
« Mandehàna any amin’izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny Filazantsara amin’ny olombelona rehetra » (Marka 16 :15)
LIEU DE CULTE
 
EGLISE SAINT-DENIS
8, place de l'Eglise
91 200 Athis-Mons
Tous les Dimanches à 15H30
SIEGE PAROISSIAL
 
CENTRE PAROISSIAL
10, rue Etienne Lebeau
91 200 Athis-Mons 
VAOVAO
FPMA
SAMPANA
NY FIANGONANA
VATSIM-PANAHY