RADIOS  
RAKI-TSARY
FPMA-KM_Fampafahantarana-Zaikabe-2011.pdf
VAOVAO SAMIHAFA
 
AVY ETO AMIN’NY TAFO
 
FIALAN-TSASATRA
Ny fivorian’ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo dia naka fanapahan-kevitra fa omena fialan-tsasatra ny Mpitandrina ; noho izany dia tsy misy ny fanompoam-pivavahana eto amin’ny fiangonantsika nanomboka ny Alahady 31 Jolay sy mandritra ny volana Aogositra 2011. Ny fotoanantsika manaraka dia ny Alahady 04 Septambra 2011. Ny fidiran’ny Sekoly Alahady dia manomboka amin’ny 02 ora sy sasany, tahaka izany koa ny STK, ny TILY,  ny fitohizan’ny fiomanana ho an’ireo Mpianatra katekomena, ary ny Antoko Mpihira.
Mandritra izao fotoam-piala-tsasatra izao, ny fivoriam-bavaka fanao isaky ny Talata hariva dia tsy miato fa misy lalandava ary hatao any amin’ny tokan-trano izay efa mivonona amin’ny fandraisana izany.Ny ora fanombohana dia amin’ny 08 ora hariva.
 
ALAHADIN’NY STK
Ampatsiahivina isika mpianakavin’ny finoana fa ny Alahadin’ny STK dia ho tanterahana amin’ny Alahady 04 Septambra 2011. Ny tompon’anjara amin’ny famakiana ny Tenin’Andriamanitra sy manao ny Vavaka Fisaorana sy Fangatahana (prières d’intercession) mandritra ny volana Septambra dia ny avy ao amin’ny Tily.
 
VOKATRA 2011
Ilazana isika mpianakavin’ny finoana eto amin’ny Fpma Athis-Fanantenana, ary ampandreneso ny havana aman-tsakaiza fa ny Voka-dehibe fanaontsika isan-taona dia ho tanterahana ny Sabotsy 01 Oktobra 2011 ho avy izao ao amin’ny Salle de Fêtes Communales ESPACE MICHELET, Rue Pierre Beregevoy 91200 ATHIS-MONS, manomboka amin’ny 12 ora ka hatramin’ny 06 ora hariva.Ny Teny fanentanana amin’ity taona ity dia ny hoe : « Inona no havaliko an’i Jehovah noho ny soa rehetra nataony tamiko ? » (Salamo 116 :12). Ny hanafana ny fotoana dia ireo mpanan-talenta ao amin’ny sampana velona isan-tsokajiny misy eto amin’ny fiangonana, ireo zanaky ny fiangonana hatevenin’ny tarika NY MINO ; NY AMPINGA ; NY SUNRISE ary artiste surprise. Ny vidim-pidirana dia 10 euros ho an’ny ankizy latsaky ny 12 taona, ary 20 euros kosa ho an’ny lehibe.Koa tongava maro fa ny adidy ho vita, ny fahafinaretana ho azo. Ny vola ho azo dia entina hanantontosana ny asa maro miandry ny fiangonantsika amin’ny fampandrosoana ny Fanjakan’Andriamanitra.
 
LASIM-PIANGONANA 2011
Ho fampiharana sy fanatanterahana ny Soritr’Asam-piangonana FPMA dia hanao lasy ny fiangonantsika ny 12 sy 13 Novambra 2011 ho avy izao. Ny lohahevitra dia ny FIANGONANA SY NY ASA MISIONA (L’Eglise et la Mission).Ny saran-dasy dia raisin’ny   fiangonana an-tànana.Ny toerana dia ao amin’ny Centre International Le Rocheton Melun. Ny fandaharam-potoana dia homena antsika eto ihany sy ao amin’ny filazana ny raharaham-piangonana isak’Alahady manomboka amin’ny 04 Septambra 2011.Fa izay tsara ho marihina dieny izao sahady dia ny Sabotsy 12 Novambra 2011 amin’ny 09 ora sy sasany ny fahatongavana sy fandraisana ny olona ao amin’ny toerana hilasiana ; aza adino ny mitondra ny sakafo atoandron’io andro io.
 
AVY ANY IVELANY
 
FARITANY AFOVOANY ANDREFANA
Fivorian’ny Komitim-Paritany KP 2
Miarahaba antsika mpiara-miasa amin'ny anaran'Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Lohan'ny fiangonana,
Araka ny fanapahan-kevitra noraisin'ny ny Synodam-paritany tany Poitiers tamin'ny29 Janoary 2011 sy ho fampiarina ny andininy faha-15 ny Fitsipika Anatiny ny FAFAN dia miantso antsika hanatrika ny fivoriana faharoa ara-potoana ny Komitim-Paritany  KP2 any Tours amin'ny 10 septambra 2011 ho avy izao manomboka amin'ny 10 ora maraina (ny antsipirian'ny fandaharam-potoana dia hampitaina amintsika manaraka).
Toy izao ny tanisa dinika amin'izany :
 
* fankatoavana ny tatitra ny KP1 tamin'ny 12/03/11
* tatitra fiainan'ny FAFAN, Tafo, Sampana Iraisina ary Vaomiera.
* tatitra ataon'ny FPMA Rennes mikasika ny fandraisana ny Zaikabem-paritany amin'ny
8 sy 9 Oktobra 2011.
* toe-bolan'ny FAFAN sy enti-manana hatreo amin'ny 31 aogositra 2011.
* famitana ny fanitsiana ny fitsipika anatin'ny FAFAN mikasika ny FPMA Athis Fanantenana (and. 21, 22 sy 46) izay haroso amin'ny synodam-paritany SP 2012.
* fandinihana ireo volavolan-kevitra hantenaina fa ho voaray alohan'ny 10 septambra 2011 avy amin'ny Birao Foibe mikasika ny Komity Maharitra faharoa KM2 amin'ny 17 septambra 2011.
 
Samihafa.
Koa manantena antsika rehetra amin’ny fitondrana am-bavaka sy fanatrehana izany fotoana lehibe izany. Ho amintsika mandrakariva anie ny Fahasoavana sy ny Fiadanana avy amin’ny Tompo ary ho Azy irery ihany ny Voninahitra.
 
                                                                              Amin’ny anaran’ny Biraon’ny FAFAN (Faritany Afovoany Andrefana)
                                  Ny Filoha, Atoa Martin Daniel RAKOTO
 
FPMA FOIBE
Fampahafantarana Zaikabe 2011
Ilazana isika vahoakan’Andriamanitra ato anatin’ny Faritany 6 sy Tafo 38 fa ny Zaikabe 2011 dia hizotra any Rouen ny 29 sy 30 Oktobra. Ny FaritanyAvaratra Andrefana no mandray antsika ary ny Faritany Avaratra Andrefana sy ny FPMA Rouen no miandraikitra ny lafiny lojistika.Ny Komity Maharitra 2 hivory ny 17 Septambra no hanapaka farany ny teny faneva sy ny fandaharam-potoana. Hisy fampianarana hiandraiketan'ny Soritr'asa roa misy eto amin'ny FPMA dia ny Soritr'asam-piangonana (SAP) sy ny Sotritr'asa Laika (KNPL) mandritra izany ary koa fotoana natokana ho an'ny Sampana Iraisana. Ny antsimpirahany amin'ny lojistika dia hampitaina amintsika tsy ho ela. Angatahina ny Tafo 38 hanome ny anarana sy fifandraisan'ny interface (mail, téléphone) ao aminy hiandraikitra ny fisortana anarana hatramin'ny 7 Septambra. http://fpma.net/zaikabe-2011/zaikabe-2011-fangatahana-interface-tafo-38.Aoka hitondra am-bavaka ny fikarakarana izany fotoana izany. Manonona ny fiadanan'ny Tompo ho aminareo mandrakariva.
 
                                                                                                                     Amin'ny anaran'ny Birao Foibe
Ny Tonia, Atoa Rado RAMAROTAFIKA.
Dico
Malagasy-Ffrançais
Baiboly Malagasy
Verset du jour
VAOVAO
FPMA
SAMPANA
VATSIM-PANAHY
NY FIANGONANA
« Mandehàna any amin’izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny Filazantsara amin’ny olombelona rehetra » (Marka 16 :15)
SIEGE PAROISSIAL
 
CENTRE PAROISSIAL
10, rue Etienne Lebeau
91 200 Athis-Mons 
LIEU DE CULTE
 
EGLISE SAINT-DENIS
8, place de l'Eglise
91 200 Athis-Mons
Tous les Dimanches à 15H30
FANOKAFANA