Fanavaozana lisitry ny mpandray

« Manompoa ny Tompo amin’ny fifaliana ; mankanesa eo anatrehany amin’ny fihobiana » (Salamo 100 :2)
 
Ho an’ny mpianakavin’ny finoana eto amin’ny tafo Athis Fanantenana.
 
Ry havana, 
Araka ny efa nambara tamintsika tamin’ny raharaham-piangonana dia tonga ny fotoana hanavaozatsika ny lisitrin’ny mpandray ny fanasan’ny Tompo eto amin’ny Tafo misy antsika FPMA Athis Fanantenana.
 
Izany fanavaozana izany moa dia efa tokony notanterahina nanomboka tamin’ny volana novambra 2020 lasa teo, fa nohon’ny teo-draharahara efa fantatsika dia voatery nahemotra izany.
 
Tapaky ny Komitim-piangonana izay nivory ny asabotsy 10 aprily lasa teo fa fisoratana anarana amin’ny version numérique no hotanterahina, noho ny toe-draharaha misy (fanompoam-pivavahana ampitain-davitra) sy indrindra rahateo koa mba hahamora ny fanajàna ny hamehana ara-pahasalamana.
 
 
Indro alefa amintsika noho izany ny rohy hahafatsika manoratra anarana ho mpandray ny fanasan’ny Tompo indray eto amin’ny Tafo FPMA Athis Fanantenana :
 
FISORATANA ANARANA AMIN’NY LISITRY NY MPANDRAY
 
 
Manainga antsika tsirairay avy tsy hisalasala hanotany ny tompon’andraikitra raha misy olana eo amin’ny fisoratana anarana. Azotsika atao tsara ny mangataka fanampiana na fanazavana fanampiny amin’ity adiresy mail nandefasana ny sera ity.
 
Mirary soa sy fitahian’ny Tompo ho antsika mianakavy.
 
 
Ny birao