SEKOLIN’NY ANKOHONANA KRISTIANA

 « Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana, » (2 Timoty 3:16).

Ny Mpitandrina sy ny Tompon’andraikitra ao amin’ny Sekolin’ny Ankohonana Kristiana (SVK-SLK-STK), dia faly manolotra ho an’ny mpianakavin’ny finoana ny fanokafana ny taom-panabeazana 2019-2021 ny ASABOTSY 16 NOVAMBRA 2019 amin’ny 4ora tolak’andro amin’ny alalan’ny famelabelarana  ny lohahevitra hoe : INONA NO ATAO HOE FANAMBADIANA ARAKA NY BAIBOLY?

Ny toerana dia ao amin’ny Centre Paroissial, 10 rue Etienne LEBEAU 91200 Athis-Mons.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.