FANDINIHANA SORATRA MASINA – SLK

Ary Kristy Jesoa no fehizoro indrindra ; ao Aminy no irafetan’ny rafitra rehetra, mitombo tsara ho tempoly masina ao amin’ny TompoEfesiana 2:20b-21

Miarahaba ny Mpianakavin’ny Finoana amin’ny anaran’ny Tompo!
Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompontsika!
Araka ny efa nambara tamintsika dia hisy ny fianarana sy fandinihana ny Soratra Masina ho an’ny Sampana Lehilahy Kristiana (SLK)

Ny fotoana manaraka dia ny SABOTSY 21 MAY 2022 ho avy izao manomboka amin’ny 4 ora hariva, ao amin’ny Centre Paroissial , 10 rue Etienne Lebeau 91200 Athis-Mons.

Toa izao ny andinindininy momba izany:

NY TOETRA TALOHA SY NY TOETRA VAOVAOEFESIANA 4:17-32

Mitondra ny fampianarana: Pasteur Marcellin RAZAFIMAHATRATRA