FANOMPOAM-PIVAVAHANA FISAORANA

Miaraha mifaly amin’izay mifaly, ary miaraha mitomany amin’izay mitomany Miraisa saina ianareo rehetra, ka miaraha ory…mifampitondrà izay mahavesatra, ary aoka izany no hahatanterahanareo ny lalànan’i KristyRom.12:15 ;I Petera 3:8 ; Gal. 6:2

Ry havana malala ao amin’ny Tompo !
Amin’ny maha-iray tampo antsika amin’ny finoana sy ny fanompoana an’i Jesoa Kristy Tompo sy Lohan’ny Fiangonana,
Dia ampandrenesana sy ilazana isika mpianakavin’ny finoana eto amin’ny FPMA Athis-Fanantenana, fa ny Fanompoam-pivavahana fisoarana an’Andriamanitra noho ny fodiamandrin’Andriamatoa RAVELOARISON Désiré dia ho tanterahina ny zoma 9 desambra 2022 amin’ny 10 Ora sy sasany maraina ao amin’ny Eglise Saint-Denis Athis-Mons.

Manantena ny fahatongavan’ny maro izay afaka hanotrona ireo havantsika mana-manjo.
Ho amintsika rehetra anie ny Tompo sy Andriamanitsika.

Ny Mpitandrina RAZAFIMAHATRATRA Marcellin Ismaël
Ny Mpitandrina RAVELOSON Josiane
Ny Filoha RAFELIMANANA Ny Hanitrinisoa

Indro alefa aty amintsika ny LITORJIA ho an’izay afaka hanatrika izany sy hanotrona ny fianakaviana.

LITORJIA FANDEVENANA AN'ATOA RAVELOARISON D?sir?, Diakona Tranainy