Alahady 06 JONA 2021

Miarahaba ny Mpianakavin’ny Finoana amin’ny anaran’ny Tompo!

Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompontsika! 

 
Nanao fivoriana maika tsy ara-potoana ny komitim-piangonana androany zoma 28 mai.
Izany no natao dia nohon’ny nahafantarana ny fisian’ny cas positifs à la COVID19 tao ampiangonana tamin’ny alahady 23 mai lasa teo, nandritra ny « culte présentiel de PENTOCOTE ».
 
Tapaka tamin’izany fivoriana izany fa hofoanana noho izany ny culte présentiel izay nokasaina hatao ny alahady 06 JONA ho avy izao.
 
Mijanona ho culte à distance ihany izany ny fotoana amin’io alahady io, izay azo arahina toa ny mahazatra ao amin’ny ZOOM sy Youtube. Mbola haverina hozaraina amintsika ihany ny andinindininy momba izany fotoana ampitaindavitra izany amin’ny fotoana maha-mety azy.
 
 
Mirary soa sy fitahian’ny Tompo ho antsika mianakavy. Ary aoka isika samy hitrotro am-bavaka ireo namantsika izay tojo ny tsy fahasalamana.
 
Ny Mpitandrina sy ny Birao.