Rojom-bavaka

« Izaho hilaza an’i Jehovah hoe: Fialofako sy batery fiarovana ho ahy Izy Ary Andriamanitro, Izay hitokiako. Fa Izy no hanafaka anao amin’ny fandriky ny mpihaza sy ny areti-mandoza. » Salamo 91 : 2 – 3



Faly miarahaba antsika mpianakavin’ny finoana eto amin’ny tafo Athis Fanantenana amin’ny anaran’ny Tompo,

 

Hisy rojom-bavaka iarahan-tsika, koa taomy ny namana, havana aman-tsakaiza hiaraka iombona hiatrika izao fotoan-tsarotra izao.

 

ISAN’ANDRO AMIN’NY 21 H NO HANAOVANTSIKA IZANY ROJOM-BAVAKA IZANY.

 

Miambena, mivavaha , aoka hifampitondra amim-bavaka isika mianakavy. Hoy ny Tompo :  » mifampivavaha dia ho sitrana ianareo.  » Aza hadino izany 21 h isan’andro, hampitao amin’ny havana aman-tsakaiza.

 

Manonona ny fiadanan’ny Tompo amitsika rehetra.

 

Ny voamieran’ny aim-panahy