Vokatra 2020

FANATERAM-BOKATRA 2020 

« Mazotoa fa aza malaina, ary aoka hafana fo amin ny fanompoana ny Tompo » Rom 12 :11.

Ho an’ny mpianakavin’ny finoana eto amin’ny tafo Athis Fanantenana.

Ry havana,

« Fa ny fihevitro tsy mba fihevitrareo, ary ny lalanareo kosa tsy mba lalako, hoy Jehovah » Isaia 55 :8.

Araka ny efa nambara tamintsika nandritry ny filazan-draharaha dia foanana ny hetsika fanokafam-bokatra izay nokasaintsika hatao ny asabotsy 03 oct 2020 izao, izany dia fepetra noraisin’ny Mairie noho ny toe-javatra misy manerana izao tontolo izao.

Noho izany ny fetim-bokatra dia hatombontsika ny alahady 04 oct 2020 izao amin’ny alalan’ny fotoam-pivavahana lehibe izay atao ao amin’ny toerana mahazatra ihany (Eglise Saint Denis) manomboka amin’ny 3 ora sy sasany.

Araka ny efa nambara tamintsika tany aloha dia valopy no hoatolotsika ho vokatra amin’ity ity taona ity, ary mandritra ny volana oktobra manontolo no ahafahatsika manolotra izany valopy izany.

Efa nanomboka nozaraina ny valopy ary mitohy izany fizarana izany mandritry ny volana oktobra.

Ho fanentanana sy fampaherezana antsika dia hoy ny tenin’ny Soratra Masina ao amin’ ny  I Korintiana 15 : 58 manao hoe :  » Koa amin’ izany, ry rahalahy sy anabavy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin’ ny asan’ ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ ny Tompo. »

Dia maneho sahady ny fisaorana sy ny fankasitrahana antsika tsirairay avy amin’ny fanaovana ho zava-dehibe izany Asa Masina izany, Andriamanitra manankarem-pahasoavana anie hiambina sy hitahy antsika tsirairay avy sy ny ankohonantsika.

Voninahitra ho an ‘ Andriamanitra ary ny fidanany kosa ho amintsika mianakavy.

Ny birao.