ZAIKABE NASIONALY FPMA 2021 (Visioconférence)

Ho an’ny Filohan’ny FPMA teo aloha,

Ho an’ny Birao Foibe,

Ho an’ny Mpitandrina rehetra ao amin’ny Fiaraha-Miasan’ny Mpitandrina,

Ho an’ ny Faritany 6,

Ho an’ny Tafo 38,

Ho an’ny Sampana Iraisana 8,

Ho an’ny FM FPMA Vierzon/Bourges,

Ho an’ny FM FPMA Tsanta,

Ho an’ny FM FPMA Pussay,

Ho an ‘ny vahoakan’Andriamanitra FPMA,

Eo an-tongotry ny Tompo ny fpma mifidy

ny anjara tsara izay tsy halaina aminy

Fa ny Tompo namaly ka nanao taminy hoe: Marta, Marta, maro ahina sy maro herehina ianao; 42nefa zavatra iray loha no ilaina; fa Maria no efa nifidy ny anjara tsara, izay tsy halaina aminy.

Lio 10.41-42

Ry havana malala ao amin’ny Tompo, ho amintsika anie ny fahasoavana sy fiadanana avy amin’ilay Andriamanitra Tompon’ny Fanjakana sy Hery ary ny Voninahitra.

Eo anatrehan’ny toe-javatra maro mampisalasala misy eto amin’izao tontolo izao dia izany no toky ho antsika. An’ilay Andriamanitra ivavahantsika ny Fanjakana sy Hery ary ny Voninahitra. Jesosy Kristy Zanzany Lahy Tokana Mpamonjy antsika koa efa niteny fa Azy ny Fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany.

Eo anatrehan’ireo sahan’asa miandry antsika ato amin’ny FPMA: tsy fahampian’ny mpitandrina, tsy fahampian’ny enti-manana, ny Teritery isan-karazany vokatry ny valan’aretina, ets.

Mipetraka ny fanontaniana noho izany ry havana manao hoe: Inona no hataon’ny FPMA eo anatrehan’ireo rehetra ireo? Handeha ho aiza ny FPMA? Tsotra ny valiny ry havana, handeha ho any amin’ilay « Tompon’ny fahefana any an-danitra sy ety an-tany ». Izany no nahatonga ny Birao Foibe hanolotra tao amin’ny KM2 2021 ny lohahevitra hoe:

Eo an-tongotry ny Tompo ny fpma mifidy

ny anjara tsara izay tsy halaina aminy

Nalaina avy ao @ Lio 10.41-42 manao hoe izany: « Fa ny Tompo namaly ka nanao taminy hoe: Marta, Marta, maro ahina sy maro herehina ianao; 42nefa zavatra iray loha no ilaina; fa Maria no efa nifidy ny anjara tsara, izay tsy halaina aminy« .

Misaotra an’Andriamanitra isika fa na dia teo aza ny fahasahiranana ka tsy nahitana ny toerana hanaovana izany ZAIKABE izany dia ho azo atao @ ZOOM izany ny 30-31 Oktobra izao. Ny fotoam-pivavahana famaranana ny Zaikabe izay halefa @ ZOOM ihany koa (ary Alahadin’ny Reformation) dia hatao ao @

Temple de la Redemption,

16, rue Chauchat, 75009 Paris.

Hisy fandaminana hiantsoana antsika ny @ fandraisana anjara @ io famaranana ny Alahady 31 Oktobra io.

TOY IZAO NY FANDAHARANA :

SABOTSY 30 (maraina)

SABOTSY (tohiny)

10 ora Fotoam-pivavahana fanokafana:

Mitarika:

Toriteny: Fanazavana ny lohahevitra

Pasteur Seth RASOLONDRAIBE

11:30 Fampianarana 1

Vahoakan’Andriamanitra mifidy ny anjara tsara eto @ FPMA

Pasteur Jeannot RANDRIANANDRASANA

12:45 SAKAFO

14:00 Fampianarana 2

Fianakaviana mifidy ny anjara tsara

Pasteur Jean Teddy RAMAHERIJAONA

15:30 Fampianarana 3

Ny Tafo FPMA mifidy ny anjara tsara

Pasteur Falimanana RAHARINDRANTO

16:30 Fialana hetaheta sy atelier isam-pianakaviana

18:00 Fampianarana 4

Mpanompo mifidy ny anjara tsara

Pasteur Elysée ANDRIAMAIANDRA

19:15 SAKAFO

20:00 AMF (redifusion??)

ALAHADY

10:00 Culte FAMARANANA sy REFORMATION

Ity ny fandaharana sy ny rohy hidirana amin’ny visioconférence :

https://zaikabe.fpma.church

Ny Birao Foibe FPMA

=•=•=•=•=•=•=•=•
Rado Ramarotafika
06 65 47 67 97
01 72 54 33 65
rado@linuxmg.org