Hira Zaikabe FAfAn 2022 – SVK PlayStop Popout DADA Dada ô, mbola misokatra ho anao ny lanitra Mbola miantso sy miandry Andriamanitra Ireo mpanota miova fo ka miarina O hô hô Izy no antsoina amin’ny teny hoe olo-marina Neny e, satriko isika rehetra izao no ho any Hiaraka handova ilay paradisa mamy Hiala amin’ny sento sy fahorian’ny tany e he he Sambatra loatra sy mahafinaritra ny any Dada ô, mbola misokatra ho anao ny lanitra … Neny e, satriko isika rehetra izao no ho any … Raha misy fotoana hiverenana Antoka tsy hanenenana Ndeha ary isika hiezaka Hiaraka samy hibebabaka Mbola mivoha ny lanitra Hidiran’ny olona niaritra Rehefa nandray an’i Kristy Izy no sambatra ho doria Zoky e, Ndeha mba hialàna, fa aoka izay ny ratsy Sao tsy tafiditra ny tanàna mantsy Izay miezaka hitahiry vatsy ô hô hô Tratry izay farany feno lo sy faty Zandry e, Aoka homanina ny ho avinao dieny eto Mba tsy ho tratry ny loza mampisento Inty ny fanevan’ny Tompontsika ento Ary ilay afo ao am-po ampireheto Raha misy fotoana hiverenana … Dada ô, mbola misokatra ho anao ny lanitra… Neny e, satriko isika rehetra izao no ho any…