Fitiavan'Andriamanitra

MOFON’AINA ALATSINAINY 16 MARTSA 2020

21 Manangàna famantaran-dàlana ho anao ianao, Manorena tsangam-bato; Saino tsara ny làlana efa voavoatra, Dia ilay làlana efa nalehanao; Miverena indray, ry Isiraely virjina, Miverena indray ho amin’ireto tanànanao ireto. 22 Mandra-pahoviana no hirioriovanao, Ry zanakavavy mpiodina? Fa Jehovah efa namorona zava-baovao amin’ny tany: Vehivavy no hanodidina lehilahy. 23 Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro, […]