MOFON’AINA TALATA 21 APRILY 2020

47 Velona Jehovah; isaorana anie ny Vatolampiko; Asandratra anie Andriamanitry ny vatolampy famonjena ahy, 48. Dia Andriamanitra, Izay manao famaliana ho ahy ka mampanaiky ny firenena ahy, 49. Dia Ilay mitondra ahy ho afaka amin’ny fahavaloko; eny, manandratra ahy ho ambonin’izay mitsangana hanohitra ahy Ianao ary mamonjy ahy amin’ny olon-dozabe; 50. Koa Izany no hiderako Anao eny amin’ny firenen-tsamy hafa, Jehovah o, sy hankalazako ny anaranao. 51. Manao famonjen-dehibe ho an’ny mpanjaka voatendriny Izy ary mamindra fo amin’ny voahosony, dia amin’i Davida sy ny taranany mandrakizay.
2 SAMOELA 22 : 47-51

MISAORA AN’ANDRIAMANITRA

Nisaotra an’Andriamanitra Davida eto ka namorona ity hira ity araka izay hita eo amin’ny sora-mandry.
I- IREO ANTONY ISAORANA AN’ANDRIAMANITRA.

  1. Velona Izy (and 47)

« Velona Jehovah »

Anisan’ny fampianaram-pinoana lehibe araka ny fampianaran’ny Soratra Masina ny hoe Velona Andriamanitra. Velona mandrakizay Andriamanitra. Tsy handairan’ny fahafatesana Izy, tsy misy fahafatesana rahateo ao Aminy.

Tsy hoe velona fotsiny ny Tompo fa mamelona koa Izy. Misaotra an’Andriamanitra Davida satria nisitraka ny fitahian’Andriamanitra izay namelona azy. Misaora an’Andriamanitra velona izay mamelona antsika amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.

  1. Mandresy ny fahavalo (and 49)

DIEM « Tompo o, afahanao amin’ny fahavaloko aho; eny, ataonao resiko ireo mpamely ahy ary tsy mahazo ahy ny mpanao an-keriny »

Mazava be fa nataon’Andriamanitra nandresy ny fahavalony Davida. Anisan’izay be fahavalo indrindra mantsy Davida satria sady nanam-pahavalo tany ivelan’ny fanjakany izy no nanam-pahavalo tao anatiny. Na ny zanany aza dia nijoro ho fahavalony. Teo anatrehan’ny fahavalo koa dia kely sy bitika Davida, ireo fahavalo sady lehibe no maro ary matanjaka. Na dia izany aza dia nampandresy Azy ny Tompo ka misaotra Azy izy. Ity fandresena ny fahavalo ity dia endrika iray maneho ny fameloman’Andriamanitra velona azy.

Isika koa dia hisaotra an’Andriamanitra mandrakariva fa mampandresy antsika Izy. Na dia mafy sy lehibe aza ny covid-19 dia samy mahatsiaro isika fa ataon’Andriamanitra mpandresy isika hatramin’izao. Velominy isika, arovany isika.

II- NY FOMBA ISAORANA AN’ANDRIAMANITRA

  1. Amin’ny hira fiderana (and 50)

DIEM « Koa eo anivom-pirenena no hiderako Anao sady hankalazako Anao amin-kira »
Amin’ny hira fiderana no isaoran’i Davida an’Andriamanitra. Tsy mahagaga izany satria mpanakanto Davida, mpitendry lokanga izy. Ny fanomezam-pahasoavana nomen’Andriamanitra azy dia noentiny niderana an’Andriamanitra ho fisaorana Azy.

Ny talenta sy ny fanomezam-pahasoavana nomen’Andriamanitra antsika dia ampiasaina hiderana Azy ho fisaorana Azy. Mahafaly an’Andriamanitra izany.

  1. Eo anivon’ny hafa (and 50)

DIEM « Koa eo anivom-pirenena no hiderako Anao sady hankalazako Anao amin-kira »
Ny eo anivo dia ho enti-manambara toerana. Ho enti-milaza fijoroana vavolombelona koa izany. Anisan’ny fomba ho enti-misaotra an’Andriamanitra koa ny manao hira fiderana an’Andriamanitra eo ampovoan’ny olona ho fijoroana vavolombelona.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.