ALAKAMISY 10 NOVAMBRA 2022

17Fa ao an-tendrombohitra Ziona dia hisy izay sisa afaka, Ary ho masina izy ; Ary ny taranak’i Jakoba hahalasa ny fananany. 18Ny taranak’i Jakoba ho afo, Ary ny taranak’i Josefa ho lelafo, Fa ny taranak’i Esao kosa ho vodivary, Ary harehitr’ireny izy ka holevoniny ; Ary tsy hisy sisa afaka ny taranak’i Esao, Fa Jehovah no efa niteny. 19Ny any amin’ny tany atsimo no hahalasa ny tendrombohitr’i Esao;Ary ny any amin’ny tany lemaka amoron-tsiraka no hahalasa ny Filistina; Hahalasa ny tanin’ny Efraima sy ny tany Samaria izy; Ary Benjamina hahalasa an’i Gileada. 20Ary ny babo amin’izao Zanak’Isiraely maro be izao hahalasa ny Kananita hatrany Zarefata, Ary ny babo tany Jerosalema, izay any Sefarada, dia hahalasa ny tanàna any amin’ny tany atsimo. 21Ary hisy mpamonjy miakatra ho ao an-tendrombohitra Ziona Hitsara ny tendrombohitr’i Esao ; Ary ho an’i Jehovah ny fanjakanaOBADIA 17-21

MIOMANA HANDRAY NY TOMPO

Ny Soratra Masina eto anoloantsika eto dia manambara indrindra ny andro hiavian’ny andron’ny Tompo. Misongadina eto amin ny mofonainantsika anio fa :

1-Fotoam-pamonjena izany

And.17-18a : Hisy hery izay atafin’ Andriamanitra ny olony ka ho tonga famonjena ny androm-piainany Ary zany no tombony lehibe ho antsika raha manana an’Andriamanitra eo amin ny fiainana isika. Ho tonga fiainam-pitahiana ny fiainantsika ka tsy ho lavom-pahavalo satria Andriamanitra no momba antsika

2- Fotoam-paharavan’ny fahavalo izany

And. 18b : Edoma no fahavalo ambaran’Andriamanitra eto, ary izay tenenin’Andriamanitra dia tsy maintsy ho tanteraka satria sady miteny Izy no miasa. Toky lehibe ho antsika izany satria Andriamanitra mihitsy no mandray andraikitra manafoana ny herin ‘ny fahavalontsika. Tokony hametraka ny adintsika Aminy isika

3- Fotoam-pitahiana izany

And. 19-21 : Ny fihitaran’ny tany onenan’ny Zanak Israely no ambara eto araka ireo fokom-pirenena ireo avy. lzany no hanambaran’ny Tompo fa tsy ny fahavalo ihany no ho reseny fa ny fitahiana ihany koa dia hampitomboany. Dia toy izany koa no ataony amintsika raha maharitra amin’ny fiandrasana azy isika. lzy no mahay mampitombo ny fitahiany ho antsika .Raha tsara fiomanana sy maharitra isika dia hilaza amintsika iJesoa amin’izany fotoana izany hoe : « Avia lanareo ry notahin’ Raiko, mandovà fanjakana zay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo zao » (Matio 25 34).

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.