ALAKAMISY 3 NOVAMBRA 2022

7Koa mifandraisa ianareo tahaka ny nandraisan’i Kristy anareo koa ho voninahitr’Andriamanitra.8Fa lazaiko fa Kristy efa tonga mpanompon’ny voafora noho ny fahamarinan’Andriamanitra hahatò ny teny fikasana tamin’ny razana, 9mba hankalazan’ny jentilisa an’Andriamanitra koa noho ny famindram-po, araka ny voasoratra hoe: Izany no hiderako Anao any amin’ny jentilisa Sy hankalazako ny anaranao (Sal. 18 : 49). 10Ary hoy koa Izy: Miravoravoa. ry jentilisa, mbamin’ny olony (Deo. 32 : 43). 11Ary koa: Midera’an’i Jehovah, ry jentilisa rehetra. Ary aoka hankalaza Azy ny firenena rehetra (Sal. 117 : 1). 12Ary hoy koa Isaia: Hisy Solofon’i Jese. Dia Ilay hitsangana hanapaka ny jentilisa; Izy no hitokian’ny jentilisa (Iza. 11 : 10).ROMANA 15:7-12

TOE-PANAHY ENTINA MIANDRY NY TOMPO

« Koa mifandraisa ianareo tahaka ny nandraisan’i Kristy anareo koa ho Voninahitr’Andriamanitra » (and7)

1-Manaiky fa efa novonjeny

Mety hanontany tena isika hoe : tahaka ny ahoana tokoa ny nandraisan’i Kristy ahy mba hahafahako mandray ny hafa ? Ny valin’izany fanontaniana izany dia izao : « Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika fa fony mbola mpanota isika dia maty hamonjy antsika Kristy » (Rom 5 :8). Isika feno fahotana sy faharatsiana no noraisin’ Andriamanitra tamin’ny alalan’ny zanany mpamonjy antsika. Tsy izay mety ho fahatsarantsika na izay mety ataontsika hoe : voninahitra no handraisany antsika . Ny marina dia ny maha-tsinontsinona antsika mihitsy no nandraisany antsika mba hanana ny toerantsika isika eo amin’ny toerana misy antsika. Hoy ihany I Paoly :« dia izaho, izay mpiteny ratsy fahiny sady mpanenjika no mpampahory kanefa nahazo famindrampo aho … » (1 Tim 1 :13). vakio koa (Efes 3 :8).

2-Manaiky hifandray amin’ny hafa

Tahaka ny nandraisan’ny Tompo ahy sy ianao no tokony hifandraisantsika. Ianao izay tsinontsinona sy mpanota no noraisiny, dia aoka isika tsy hanilika ny namantsika noho izay fahalemeny fa handray azy . Ary tsy hoe : handray azy fotsiny fa hitondra azy eo amin’i Kristy Jesoa. Fa raha nandray antsika I Jesoa dia tsy nanala antsika tao amin’ny fahotana fotsiny fa nitondra antsika ao amin’ny fiainam-pamonjena. « Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana ; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako » (Jao 14 :6). Ny fifandraisantsika amin’ny namantsika, eny na ny fahavalontsika aza no mariky ny maha-zanak’Andriamanitra antsika « mba ho tonga zanaky ny Rainareo izay any an-danitra ianareo… ary mampilatsaka ny ranonorana amin’ny marina sy ny tsy marina » (Mat 5 :45).

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.