ALAKAMISY 8 DESAMBRA 2022

13Ary nisy anankiray teo amin’ny vahoaka nanao tamin’i Jesosy hoe: Mpampianatra ô, teneno ny rahalahiko mba hizara lova amiko. 14Fa hoy Izy taminy: Ralehilahy, iza no nanendry Ahy ho mpitsara na mpizara ao aminareo? 15Ary hoy Izy tamin’ny olona: Mitandrema, ka miarova tena mba tsy ho azon’ny fieremana ianareo; fa ny ain’ny olona tsy miankina amin’ny habetsahan’ny zavatra ananany. 16Dia nanao fanoharana taminy Izy ka nanao hoe: Ny tanin’ny lehilahy manan-karena anankiray nahavokatra be. 17Ary izy nihevitra tao am-pony hoe: Ahoana no hataoko, fa tsy manana fitoerana hamoriako ny vokatro aho? 18Ary hoy izy: Izao no hataoko: handrava ny trano fitehirizako aho ka hanao izay lehibebe kokoa, ary ao no hamoriako ny variko rehetra sy ny fananako. 19Dia hilaza amin’ny fanahiko hoe aho: Ry fanahy ô, manana fananana be voatahiry ho amin’ny taona maro ianao; mitsahara, mihinàna, misotroa, mifalia. 20Fa Andriamanitra kosa nanao taminy hoe: Ry adala, anio alina no halaina aminao ny fanahinao, ka ho an’iza izay zavatra noharinao? 21Toy izany izay mihary harena ho an’ny tenany ihany, nefa tsy mba manan-karena ny amin’AndriamanitraLIOKA 12:13-21

Valiteny nataon’i Jesoa Kristy tamin’ny fiangaviana nataon’ity lehilahy iray hananatra ny rahalahiny ny amin’ny fizarana lova.

1-Tsy azo ianteherana ny harena

Hoy ny and 15 « fa ny ain’olona tsy miankina amin’ny habetsahan’ny zavatra ananany ». Miady lova ny olona ,te-hanana zava-tsoa ,ny harena eto an-tany .Misy tokoa sokajin’olona tena variana amin’izany ka mahatonga ady ao anatin’ny fianakaviana rehefa misy fizarana tsy mitovy na tsy mahazo anjara araka ny fijery maha-olona .Mazava tsara anefa ny fanoharana nataon’i Jesoa Kristy eto fa na dia manana harena be dia be aza ny olona , manana vokatra mahafeno trano , rehefa tonga ny fahafatesana tsy mahavonjy azy ny harena , ary tsy mahatondra na inona na inona rehefa miala amin’ity tany ity .

2-Andriamanitra no tena harena

Hoy ny and 21 « toy izany izay mihary harena ho an’ny tenany nefa tsy manankarena ny amin’Andriamanitra » .Mampitodika ny olona ho amin’ny tena harena i Jesoa Kristy. Na dia manana ny zavatra rehetra aza ny olona,mifarana eto an-tany ihany izany ,tsy mahavonjy,tsy maharo ny ainy ny fananana nohariany. Ambaran’i Jesoa Kristy fa olona adala ny olona toy izany (and20). Na manao ahoana na manao ahoana ny toe-javatra atrehina eo amin’ny fiainana ,meteza hikatsaka ny tena harena dia ny fifandraisana amin’Andriamanitra . An’Andriamanitra ny fanjakana ka Izy no afaka mitahiry ny olona manana Azy hanana anjara tsara ao amin’izany fanjakany izany .

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.