ALAROBIA 21 DESAMBRA 2022

24Ary rehefa afaka izany, dia avy ny farany, ka amin’izay dia hatolony ho an’Andriamanitra Ray ny fanjakana, rehefa nofoanany ny fanapahana rehetra sy ny fahefana rehetra ary ny hery rehetra. 25Fa tsy maintsy manjaka Izy, mandra-panaony ny fahavalony rehetra ho eo ambanin’ny tongony (Sal. 110. 1). 26Ny fahafatesana no fahavalo farany horesena. 27Fa ny zavatra rehetra efa nampanekeny ho eo ambanin’ny tongony (Sal. 8. 6). Fa na dia hataony hoe aza: Ny zavatra rehetra no nampanekena, dia fantatra marina fa tsy mba isan’izany Izay nampanaiky ny zavatra rehetra Azy. 28Ary rehefa nampanekena Azy ny zavatra rehetra, dia ny tenan’ny Zanaka koa aza no hanaiky Izay nampanaiky ny zavatra rehetra Azy, mba tsy hisy fototra sy antony afa-tsy Andriamanitra ihanyI KORINTIANA 15:24-28

KRISTY NO MPANJAKA

Amin’ny fotoana hahatanterahan’ny fanjakany dia :

1-Foanany ny herin’ny fahavalo rehetra (and 24)

Ambaran’ I Apostoly Paoly fa amin’ny fotoana hihavian’I Kristy dia hofoanany ny herin’ny fahavalo dia ireo fanapahana sy fahefana ary hery manohitra Azy ka hatolony ho an’Andriamanitra ny fanjakana sy ny fahefana rehetra Tokony hahatonga ny mpino hiorina tsara amin’ny finoana izany fanazavana izany ,indrindra manoloana ny fiatrehana ny fahefana sy ny fanjakan’izao tontolo izao izay mangeja ny fiangonana sy manampatra ny fahefana Aminy .Ny Tompo Jesoa dia efa nampiomana fa hahita fahoriana ny mpianatra raha mbola ety amin’izao tontolo izao , kanefa tsy tokony hanary toky satria Jesoa dia efa naharesy izao tontolo izao , ka izay manaraka Azy dia tsy maintsy ho mpandresy tahaka Azy satria Izy no Mpanjaka.

2-Resiny ny fahafatesana

Nanota ny olombelona ka nahatonga ny fahafatesana teto amin’izao tontolo izao .Ny fitsanganan’I Kristy tamin’ny maty no mampiseho fa efa noreseny ny herin’ny ota ,fanindronan’ny fahafatesana “Fa tahaka ny ahafatesan’ny olona rehetra ao amin’ny Adama no ahaveloman’ny olona rehetra kosa ao amin’I Kristy”.Izy no santatry ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty .Ny fahafatesana no fahavalo farany horesena (and26) .Midika izany fa tsy ho eo ambany fahefan’ny fahafatesana intsony izay rehetra mino Azy. Ny iraka nampanaovin’ny Ray an’I Kristy dia ny hamonjy ny olona rehetra ho afaka amin’ny herin’ny ota ka hananany fiainana mandrakizay .Rehefa vitany izany asany izany dia miverina any amin’ny Ray Izy ka mandray ny satroboninahitra ho Azy sady manomana fitoerana ho an’ny mino .

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.