ALAROBIA 28 SEPTAMBRA 2022

1 Ary Jesoa niantso ny mpianany roa ambin’ny folo lahy hankeo aminy ka nanome azy fahefana hamoaka fanahy maloto sy hahasitrana ny aretina rehetra mbamin’ny rofy rehetra. 2 Ary izao no anaran’ny Apostoly roa ambin’ny folo lahy: Ny voalohany, Simona, izay atao hoe Petera, dia Andrea rahalahiny; Jakoba, zanak’i Zebedio, sy Jaona rahalahiny; 3 Filipo sy Bartolomeo; Tomasy sy Matio mpamory hetra; Jakoba, zanak’i Alfeo, 4 sy Tadeo; Simona Kananeana ary Jodasy Iskariota, ilay namadika Azy. 5 Ireo roa ambin’ny folo lahy ireo dia nirahin’i Jesosy ka nodidiany hoe: Aza mandeha any amin’ny lalan’ny jentilisa, ary aza miakatra amin’izay tanànan’ny Samaritana, 6 fa aleo mankany amin’ny ondry very amin’ny taranak’isiraely. 7 Ary raha mandeha ianareo, dia mitoria hoe: Efa mby akaiky ny fanjakan’ny lanitra. 8 Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, avoahy ny demonia; efa nahazo maimaimpoana ianareo, koa manomeza maimaimpoana. 9 Aza mitady volamena, na volafotsy, na varahina, ho ao anatin’ny fehin-kibonareo, 10 na kitapom-batsy ho amin’izay haleha, na akanjo roa, na kapa na tehina; fa ny mpiasa dia miendrika hahazo ny haniny.MATIO 10 :1-10

NY MPIANATRY NY TOMPO

1-Olom-boantso

Niantso ny mpianany i Jesoa (and 1). Nantsoin’ny Tompo amin’ny anarany tsirairay avy ireo mpianatra 12 lahy . Fantany tsara ireo ary nofidiany tao anatin’ny maro .Tsy ilay andraikitra nahafantarana azy taloha intsony no hahafantarana ireo, fa mpianatry ny Tompo ireo Apostoly ireo. Ho anao koa : kristiana ianao ankehitriny, olom-boantson’ny Tompo, olom-boafidy manokana, omena fahefana, malala eo imason’ny Tompo, be voninahitra sady tiany. Fahefana hamoaka fanahy maloto

2-Nomena fahefana manokana

Nanome fahefana azy ireo Jesoa (and 1b). Fahefana hamoaka fanahy maloto, hahasitrana ny aretina rehetra mbamin’ny rofy rehetra. Tsy hamaha olana ara-panahy ihany ny fahefana nomena azy ireo fa mahakasika ny olona manontolo dia saina , vatana ihany koa.

3-Nomena iraka manokana

Nirahin’i Jesoa ireo ka nodidiany ho any amin’ny ondry very any amin’ny taranak’Israely . Misy firotsahana mivantana amin’ny iraky ny Tompo .Misy toerana aleha ary misy ondrin’nyTompo izay mila famonjena .Tsara ny mihaino sy mandray fampianarana fa efa fotoana firotsahana an-tsehatra amin’ny iraky ny Tompo izao .

4-Mahita fahombiazana

« ny mpiasa dia mendrika hahazo ny haniny « (and 10b).Tsy ny fiahiana ny ara-nofo no hibahan-toerana mialoha amin’ny mpanompon’ny Tompo .Rehefa atao lohalaharana ny Tompo dia Izy no miahy sy mikarakara ny mpanompony .

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.