ALATSINAINY 7 NOVAMBRA 2022

4 Jehovah ô,ampahafantaro ny farako aho sy izay ohatry ny androko; aoka ho fantatro fa olon-kandalo aho. 5 Indro efa nataonao vodivoam-pelatanana ny androko, ary ny fiainako toy ny tsinontsinona eo anatrehanao. Zava-poana ihany tokoa ny olon-drehetra, na dia matanjaka aza. 6 Aloka tokoa no fandehandehan’ny olona; zava-poana tokoa no itabatabàny; mihary harena izy nefa tsy fantany izay ho tompon’izany.SALAMO 39: 4-6

RAHA HIALA ETY AN-TANY IANAO

1- Mbola misy fotoana ve iomananao ?

« Jehovah ó, ampahafantaro ny farako aho sy izay ohatry ny androko: aoka ho fantatro fa olon-kandalo aho » (and.4) .Tsy haintsika velively ny ampitso. lzany no nanafaran’nyTompo hoe: « Ary amin’izany dia aza manahy ny amin’ny ampitso ianareo: fa ny ampitso hanahy ny azy. Ampy ho an’ny andro ny ratsy miseho ao aminy » (Mat 6 :34). Izay ratsy vitanao androany dia ataovy ampy fa hatsarao ny ampitsonao fa olon-kandalo ianao. Vakio ity : « Raha ny marina miala amin’ny fahamarinany ary manao meloka ka maty amin’izany, dia maty noho ny heloka nataony ihany izy, ary raha ny ratsy fanahy miala amin’ ny faharatsiana nataony ka manao izay marina sy mahitsy, dia hovelominy ny fanahiny » (Eze 18 :26-27). Mitandrema ary sao tsisy fotoana iomanana !

2- Tandremo fa tsy antsika ny mandahatra

« Aloka tokoa no fandehandehan’ny olona; zava-poana tokoa no itabatabàny; mihary harena izy nefa tsy fantany izay ho tompon’izany »( and.6) . Mba misy amintsika ve manontany an’ Andriamanitra hoe : mbola misy hafiriana ny andro hahavelomako ? Fa samy tsy misy mahalala ny andro hialany eto amin’ity tany fandalovana ity isika. Fa izay tian’ny mpanao salamo ambara dia ny hampatsiahivan’Andriamanitra azy izany. Isika koa dia variana amin’izao tontolo izao izay misy antsika. Variana amin’ity tany fandalovana ity ka tsy tsara omana amin’ny fialàna eto akory.Tsarovintsika ity Teny ity « Ry adala, anio alina no halaina aminao ny fanahinao, ka ho an’iza izay zavatra noharinao ? » (Lioka 12 :20)

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.