Mofon’aina – Alakamisy 01 desambra 2016

29 Ary ny Zanak’ Isiraely nitondra fanatitra sitra-po ho an’ i Jehovah: dia ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra izay namporisihin’ ny fony hitondra izay hanaovana ny zavatra rehetra nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy hatao.30 Ary hoy Mosesy tamin’ ny Zanak’ Isiraely: Indro, efa notononin’ i Jehovah anarana Bezalila, zanak’ i Ory, zanak’ i Hora, avy amin’ ny firenen’ i Joda,31 ka efa nofenoiny fanahin’ Andriamanitra, dia fahendrena sy fahiratan-tsaina sy fahalalana ny amin’ ny tao-zavatra samy hafa,32 dia ny hamoron-tsaina hanao asa kanto, sy ny hiasa volamena sy volafotsy ary varahina,33 ary ny hamboatra vato halatsaka an-tranontranony sy ny handrafitra hazo, hanaovana izay asa kanto samy hafa rehetra.34 Ary ny fahaizana hampianatra koa dia efa nataon’ Andriamanitra tao am-pony, dia izy sy Oholiaba, zanak’ i Ahisamaka avy amin’ ny firenen’ i Dana.35 Ary efa nofenoiny fahendrena izy roa lahy, hanaovany ny tao-zavatra samy hafa, dia ny an’ ny mpiasa tefy sy rafitra ary ny an’ ny mpanenona mahay tenona samy hafa soratra, dia amin’ ny manga sy volomparasy sy mena ary amin’ ny rongony fotsy madinika ary ny an’ ny mpanenona, dia ny ho mpanao ny asa samy hafa sy ho mpamorona asa kanto.
EKSODOSY 35 :29-35

NY ASA MENDRIKA HANKALAZANA NY TOMPO

Novorin’i Mosesy ny olona rehetra ka nambarany taminy izay rehetra nandidian’i Mosesy hatao . Nanentana ny olona izy mba hanolotra fanomezana ho enti-manao ny Tabernakely. Resy lahatra ny olona .

1-Asa atao an-tsitrapo

Hitantsika eto fa nandray anjara an-tsitrapo ny rehetra na ny lehilahy na ny vehivavy tamin’ny asa izay nifanentanana (and21, 29). Be ny vola lany tamin’izany nefa dia tafahoatra noho izay nilaina aza no voaangona (jereo Eks 36.5, 6) eny , fa na dia tany anefitra aza. I Jesoa dia nahafoy an-tsitrapo ny ainy ho fanatanterahana ny asan’ Andriamanitra , ary izany no nakalazana Azy . Aza miandry ho terena vao hahatsiaro hiasa.

2-Asa anolorana ny talenta sy ny fahaiza-manao

Voatonona anarana i Bezalila sy Oholiaba, izay feno ny Fanahin’ Andriamanitra ka tonga mpiasa mahay sady mahira-tsaina amin’ny fiangaliana taozavatra sy asatànana (and 31,35). Ny olona tarihin’ny Fanahin’ Andriamanitra no ho afaka hanolotra an-tsitrapo ny talentany hankalazana sy hanaovana ny asan’ Andriamanitra , satria fantany fa avy amin’ Andriamanitra ny talenta ka tokony hankalazana Azy ary tsy tokony ilàna tambiny akory aza fa atolotra an-tsitrapo .

Fanontaniana:

Firy amin’ireo mahay asa tànana sy manana talenta no mba manao an-tsitrapo ho an’ny asan’ny fiangonana ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.Amen !