Mofon’aina – ALAKAMISY 01 FEBROARY 2018

18 Raha misy olona manana zanakalahy maditra sy manohitra ka tsy mety mihaino ny feon’ ny rainy, na ny feon’ ny reniny, ka tsy zakany anarina,19 dia hosamborin’ ny rainy sy ny reniny izy ka ho entiny amin’ ny loholona amin’ ny tanànany, eo amin’ ny vavahadin’ ny tanàna onenany,20 dia hiteny amin’ ny loholona amin’ ny tanànany izy mivady hoe: Ity zanakay ity dia maditra sy manohitra ka tsy mihaino ny feonay, fa mpandany sy fileony.21 Dia hitora-bato azy ho faty ny mponina rehetra ao an-tanànany; ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy; ary ny Isiraely rehetra dia handre izany ka hatahotra.
DEOTERONOMIA 21 :18-21

ANDRAIKITRA  LEHIBE  NY FITAIZANA NY ZANAKA

1-Tsy maintsy  ataon’ny ray aman-dreny  izany

Sarotra ny fitaizana   sy fanabeazana ankehitriny   . Eo  ny  fahasatotam-piainana  sy ny rotoroto  andavanandro   izay  manery   ny  mpianakavy  tsy hifankahita. Etsy  ankilan’izany  , tsapa fa tena  mihatanora  ny sala-taonan’ny olona miditra amin’ny sehatry ny fanambadiana  ka tsy  matotra  ary  tsy afaka  hiatrika ny adidy   amin’ny maha- Ray aman-dreny  . Miara-manaiky isika  fa sarotra ny fitaizana. Izany anefa tsy mamela  ny ray aman-dreny  hialangalana , na hiala  andraikitra  satria adidy masina   ny  maha-Ray  aman-dreny  .Anisan’izany  ny fitaizana ny zanaka  mba hihaino ny Tenin’ Andriamanitra .

2-Manampy  amin’ny fananbeazana  ny fiaraha-monina 

Hita  eto fa manana  andraikitra  miara-manabe  ny taranaka  amin’ny Ray  aman-dreny  ny fiaraha-monina , raha tsy hiresaka   afa-tsy  ny haino  aman-jery isankarazany   sy  ny  tambazotram-pifandraisana  « facebook » fotsiny  aza isika . Ekena fa  tsy mitovy  ny sehatra iainantsika  izay  sy  tamin’izay  niainan’ny Israelita  azy  fahiny   , nefa tsapa   fa misy  zavatra   mamono ny taranaka  ihany ankehitriny  , na dia    tsy  mamono mivantana tahaka ny tamin’izany aza . Ilaina ihany ny  mifehy  ny tontolom-panabeazana  any amin’ny fiaraha-monina  satria  mety  mamono  sy manimba  ny zanaka beazina   ihany izy ireny. Ny  fiangonana amin’ny alalan’ny Tenin’ Andriamanitra  dia fiasana   sy mpiara-miasa   amin’ny Tompo  mba hanarenana  ny fitaizana  sy fanabeazana  tahaka izany .

Fanontaniana:

Ahoana ny fomba  tsara  hanabeazana ny zanaka ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !