MOFON’AINA ALAKAMISY 01 JOLAY 2021

1.Ary tonga fanindroany tamin’i Jeremia ny tenin’i Jehovah, raha mbola voahazona teo an-kianjan’ny trano fiambenana ihany izy, nanao hoe: 2. Izao no lazain’i Jehovah, Mpanao izany, dia Jehovah Izay namorona izany mba hampitoetra azy; Jehovah no anarany; 3. Antsoy Aho, dia hovaliako ianao ka hampisehoako zavatra lehibe sy saro-pantarina izay tsy fantatrao. 4. Fa izao no lazain’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely; Ny amin’ny trano amin’ity tanàna ity sy ny amin’ny lapan’ny mpanjakan’ny Joda, izay noravana noho ny tovon-tany sy ny sabatra, 5. Raha mandroso hiady amin’ny Kaldeana izy ka mameno ny trano amin’ny fatin’olona, izay novonoiko tamin’ny fahatezerako sy ny fahavinirako, sady nanafenako ny tavako tamin’ity tanàna ity noho ny faharatsiany rehetra: 6. Dia, indro, hotanterahiko tokoa ny fanasitranana azy, eny, hositraniko izy, ary hasehoko aminy ny haren’ny fiadanana sy ny fahamarinana. 7. Ary ny Joda sy ny Isiraely dia hampodiko avy amin’ny fahababoany, ka haoriko ho toy ny taloha izy. 8. Ary hodioviko ho afaka amin’ny helony rehetra izy, izay nanotany tamiko; Ka havelako ny helony rehetra, izay nanotany sy niodinany tamiko. 9. Ary ho anarana mahafaly Ahy izany sady ho dera sy voninahitra ho an’ny firenena rehetra ambonin’ny tany, izay handre ny soa rehetra ataoko aminy; Dia hatahotra sy hangovitra izy noho ny soa rehetra sy noho ny fiadanana rehetra izay hataoko aminy.
JEREMIA 33 : 1-9

MIORENA AMIN’NY ANTSON’NY TOMPO

Efa vita fahirano ny tanàna, efa antomotra ny fahababoana. Any am-pigadrana i Jeremia no izao tonga aminy izao fanindroany ny Tenin’i Jehovah, ary Teny fankaherezana ho azy indrindra. Maneho izao fa na dia misedra ny mafy indrindra aza ny Mpanompon’Andriamanitra dia tsy ilaozany akory fa :

1- Eo Izy

« Antsoy aho » hoy i Jehovah, mifono ao anatin’izany fa Andriamanitra dia tsy lavitra fa azo ifandraisana amin’ny fotoana rehetra, amin’ny toerana rehetra. Tsy voasakan’ny rindrin’efatry ny fonja. Fa hevitr’io matoanteny io ihany koa ny hoe « mihaona na mifanena » izany hoe: mifanatrika amin’ny mpanompo eo Andriamanitra ka azony hifampizarana izay mavesatra azy. Asain’Andriamanitra ataontsika mihitsy izany ny miresaka aminy sy mihaona aminy,indrindra fa ao anaty ady sarotra. Ary moa va tsy efa nanao antso tahaka izany koa i Jesoa ? (Mat 11. 48). Ianao koa aza misalasala ary miantoraka amin’ny Tompo amin’ny adinao fa eo Izy, zarao aminy ny olanao fa akaiky anao Izy!

2- Mamaly Izy

« Dia ho valiako ianao« . Ny matoanteny hoe:  « hovaliako » raha ny endriny amin’ny teny fototra dia tsy maneho ny fahavononan’Andriamanitra hamaly fotsiny fa milaza ny faniriana lalina ao anaty hamaly ny antson’ny Mpanompony, maneho ny fitiavana sy hetaheta ao amin’Izy Tompo . Raha lazaina amin’ny teny hafa dia hoe : Te hamaly, na ihany koa maniry mafy ny hamaly ny olony Izy, ary porofon’ny fitiavany izany. Ary manamafy izany ny fampanantenana nomeny hoe :  «  hampisehoako zavatra lehibe sy saro-pantarina izay tsy fantatrao », famonjena no ao ambadik’izany. Hery lehibe ho antsika ny mahalala fa hay te- hamaly, maniry hamaly antsika mihitsy ny Tompo. Tsy very maina akory ny antso vonjy ataontsika aminy !

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra