MOFON’AINA ALAKAMISY 02 APRILY 2020

2 Ary aoka ho fantatrao anio, fa izaho tsy miteny amin’ny zanakareo izay tsy nahalala na nahita ny famaizan’i Jehovah Andriamanitrareo sy ny fahalehibiazany sy ny tànany mahery sy ny sandriny nahinjitra 3 sy ny famantarany sy ny asany, izay nataony tany Egypta tamin’i Farao, mpanjakan’i Egypta, sy ny taniny rehetra, 4 sy izay nataony tamin’ny miaramilan’ny Egyptiana sy ny soavaliny ary ny kalesiny, dia ny nanasaforany azy tao amin’ny Ranomasina Mena, raha nanenjika anareo Izy, dia voaringan’i Jehovah mandraka andro-any, 5 ary izay nataony taminareo tany an-efitra, hatramin’ny nahatongavanareo teto amin’ity tany ity, 6 ary izay nataony tamin’i Datana sy Abìrama, zanak’i Eliaba, zanak’i Robena, teo amin’ny Isiraely rehetra, dia izay nisokafan’ny tany sy nitelemany azy mbamin’ny ankohonany sy ny lainy ary ny zava-manan-aina izay nomba azy; 7 fa ny masonareo efa nahita ny asa lehibe rehetra izay nataon’i Jehovah.
DEOTERONOMIA 11 : 2-7

ZANAK’ISIRAELY : VAVOLOMBELONA NAHITA NY FAMONJEN’ANDRIAMANITRA

Ny bokin’ny lalàna dia boky mitahiry ny asa nataon’Andriamanitra namoaka ny vahoakany tamin’ny fanandevozana sy ny nitarihany azy tany an-tany efitra ka nitantanany azy ho any amin’ny tany Kanana. Niaina mivantana izany fitondran’Andriamanitra izany izy ireo. Ireto no asan’Andriamanitra navela ho hitan’ny Zanak’Isiraely

  1. Vavolombelona nahita ny fandringanana ny fahavalony

« Ary aoka ho fantatrao anio, fa izaho tsy miteny amin’ny zanakareo izay tsy nahalala na nahita ny famaizan’i Jehovah Andriamanitrareo sy ny fahalehibiazany sy ny tànany mahery sy ny sandriny nahinjitra »

Ireo taranaka nahita maso ny asan’Andriamanitra mivantana no iresahan’Andriamanitra eto amin’izao mofonaina izao. Tsy inona moa izany asan’Andriamanitra izany fa ny fandringanana ny Egyptianina izay saika hanakana ny fandehanan’ny Zanak’Isiraely any amin’ny tany kanana, ilay tany nampanantenain’Andriamanitra homena ho azy ireo. Ny tena vavolombelona arak’izao dia ireo izay nahazo tombony manokana tamin’ny fiarahana tamin’ny Tompo ka navelany nahita ny asany mandringana ny fahavalony sy ny fahavalon’ny vahoakany. Tombony lehibe ho an’ireto zanak’Isiraely ireto izany satria tonga hitan’izy ireo ny fahamarinan’ny tenin’ny Tompo hoe: « Jehovah hiady ho anareo, fa ianareo kosa hangina » (Eks 14 : 14). Nataon’Andriamanitra ho hitan’izy ireo maso ny fahamarinan’ny teniny.

Ireo Apostoly sy ireo mpiara-belona taminy koa mba nanana izany tombony izany tamin’ny androny satria nahita maso ny fomba namonoan’Andriamanitra ny herin’ny fahotana teo amin’ny hazo fijaliana tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Tombony lehibe ho azy ireo koa izany.

  1. Vavolombelona nahita ny fameloman’Andriamanitra (and 7)

« fa ny masonareo efa nahita ny asa lehibe rehetra izay nataon’i Jehovah »

Ilay asa navela ho hita maso dia fandringanana ireo fahavalo teny an-dalana ho an’ny amin’ny tany kanana. Fandringanana ireo fahavalo, izay midika kosa fa famelomana ny vahoakan’Andriamanitra. Raha tsy naringan’Andriamanitra mantsy ny fahavalo dia ireo vahoaka no ringana noho ny asam-pahavalo. Noho izany ilay asa fandringanana dia midika ho famelomana. Naringan’Andriamanitra avokoa ny fahavalony mba hahazoan’ny vahoakany fiainana sy fahavelomana.

Naringan’Andriamanitra teo amin’ny hazo fijaliana ny herin’ny ota mba hahatonga ny olona rehetra, izay mino an’i Jesoa hahazo fiainana sy fahavelomana. Raha tsy nanaiky hitondra ny fahotana teo amin’ny hazo fijaliana Jesoa tsy afaka nisitraka ny fiainana avy amin’izany isika.

 Isika kristianina no tena vavolombelon’ny fameloman’Andriamanitra ny vahoakany, isika kristianina no efa nisitraka izany fahavelomana sy fiainana nomen’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy izany.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.