MOFON’AINA ALAKAMISY 02 DESAMBRA 2021

9 Tahaka ny nitiavan’ny Ray Ahy no nitiavako anareo; tomoera amin’ny fitiavako ianareo. 10 Raha mitandrina ny didiko ianareo, dia hitoetra amin’ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin’ny Raiko sy ny itoerako amin’ny fitiavany. 11 Izany zavatra izany dia efa nolazaiko taminareo, mba ho ao aminareo ny fifaliako, ka ho tanteraka ny fifalianareo. 12 Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo. 13 Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany. 14 Ianareo no sakaizako, raha manao araka izay andidiako anareo. 15 Tsy hataoko hoe mpanompo intsony ianareo, fa ny mpanompo tsy mahalala izay ataon’ny tompony; fa efa nataoko hoe sakaiza ianareo, satria izay rehetra reko tamin’ny Raiko no nambarako taminareo. 16 Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan’ny vokatrareo, mba homen’ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin’ny anarako na inona na inona.
JAONA 15 : 9 – 16

NY LOHARANON’NY FIFALIANA

1- Ny fankatoavana ny didin’i Jesoa

Miankina amin’ny fankatoavan’ny mpianatra ny didin’i jesoa no mahatanteraka ny fifaliana eo amin’ny fiainan’izy ireo. Tokony hifankatia ny mpianatr’i Jesoa . Ilay tena tia no miresaka amin’ny sakaizany .Izay mahatsapa ny fitiavany dia tokony hanao zava-dehibe ny fampianarana natolotra azy ireo. Fifankatiavana manova tanteraka ny fifandraisana rehetra. Rehefa miaina amin’ny fifankatiavana ny olona dia rava ny disadisa, milamina ny fiaraha-monina, noho izany dia afaka miaina amin’ny fifaliana ny olona. Ny fifaliana dia raisina noho ny firindran’ny fiainana. Ny fankatoavana an’i Jesoa ihany no vahaolana.

2- Ny fanekena hiaina amin’ny fiainana vaovao

Manana ny fifaliana Azy manokana ny tiany homena ny mpianatra i Jesoa : « mba ho aminareo ny fifaliako ». Ilay fifaliana afaka nisedra zava-tsarotra samihafa, na dia tao anatin’ny fahoriana aza . Izany indrindra no mahatonga Azy milaza fa ny tena fitiavana dia « ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany ». Io fifaliana azo iainana amin’ny fotoana sy toe-javatra rehetra io no tiany mba ho azon’ny mpianany ny amin’ny fiainana vaovao. Rehefa maina sy mankato ny fampianaran’i Jesoa ny mpanara-dia Azy dia miaina izany fiainana vaovao izany ; fifaliana ho an’ny olona mahasapa fa notiavin’Andriamanitra ka afaka miaina amin’ny fiainam-pamonjena.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.