Mofon’aina – Alakamisy 02 febroary 2017

44 Dia hoy Izy taminy: Izao no teniko izay nolazaiko taminareo, fony mbola tao aminareo Aho, fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra nanoratana Ahy teo amin’ ny lalàn’ i Mosesy sy ny mpaminany ary ny Salamo.45 Dia nanokatra ny sain’ ireo Izy hahalala ny Soratra Masina.46 Ary hoy Izy taminy: Izany no voasoratra, fa Kristy hiaritra ka hitsangana amin’ ny maty amin’ ny andro fahatelo;47 ary mba hotorina amin’ ny anarany ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin’ ny firenena rehetra, manomboka eto Jerosalema.48 Ary hianareo no vavolombelon’ izany.49 Ary, indro, Izaho mampitondra ny teny fikasan’ ny Raiko ho anareo; fa mitoera eto an-tanàna mandra-panafiana anareo amin’ ny hery avy any amin’ ny avo.50 Ary Jesoa nitondra azy hatrany Betania, dia nanandratra ny tànany ka nitso-drano azy.51 Ary raha mbola nitso-drano azy Izy, dia nisaraka taminy ka nakarina ho any an-danitra.52 Ary izy ireo nitsaoka Azy, dia niverina ho any Jerosalema sady faly indrindra.53 Ary teo an-kianjan’ ny tempoly isan-andro izy nankalaza an’ Andriamanitra.
LIOKA 24 :44-53

IREO VAVOLOMBELONA MANAMBARA NY TOMPO

Rehefa nitsangana tamin’ny maty ny Tompo dia niseho indray tamin’ny mpianany. Tsy avy hatrany dia nahalala Azy ireo, ny tsy finoana sy ny tahotra aza no nameno ny fony .Nesorin’i Jesoa izany tahotra sy tsy finoana rehetra izany. Nampahatsiahivin’ny Tompo azy ireo izay efa nolazainy fony Izy teo aminy. Nambarany koa fa ny vavolombelona manambara azy dia:

1-Ny Soratra Masina (and 44,45)

Nambaran’i Jesoa fa tsy maintsy tanteraka izay lazain’ny Soratra masina momba Azy. Ny fototra iorenan’ny finoantsika dia ny Soratra masina ary ny Soratra Masina irery ihany . Koa aoka isika hanao zava-dehibe ny famakiana sy ny fianarana ary fankatoavana izay rehetra ambaran’ny Soratra masina isika , raha tsy Jesoa no manokatra ny saintsika.

2-Ny mpianany (and 48)

Izy ireo no ho vavolombelona hanambara Azy ka hitory fibebahana amin’ny Anarany any amin’ny firenena rehetra. Ny Fiangonana no manohy izany iraka izany, dia isika izay efa nandray ny Fanahy masina sy ny tsodranon’ny Tompo (and 49,52). Koa aza menatra no ho vavolombelon’ny Tompontsika.

Fanontaniana:

Nahoana no tsy rototra amin’ny fianarana sy fandalinana ny Soratra Masina ny olona ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.
Amen!