MOFON’AINA ALAKAMISY 02 JOLAY 2020

20 Fa fony mpanompon’ny ota ianareo, dia afaka tamin’ny fahamarinana. 21 Inona ary no vokatra azonareo fahiny tamin’izay zavatra mahamenatra anareo ankehitriny? fa fahafatesana ny hiafaran’izany zavatra izany. 22 Fa ankehitriny, rehefa natao afaka tamin’ny ota ianareo ka efa tonga mpanompon’Andriamanitra, dia manana ny vokatrareo ho amin’ny fahamasinana, ary ny farany dia fiainana mandrakizay. 23 Fa fahafatesana no tambin’ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika.
ROMANA 6 : 20-23

IREO TOMBONTSOA ATERAKY NY FANAFAHAN’ANDRIAMANITRA

Anisan’ny zava-dehibe ambaran’i Paoly eto amin’izao Romana 6 izao ny hoe manafaka ny mino amin’ny herin’ny fahotana Andriamanitra. Manafaka ny mino amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Misy vokany tsara eo amin’ny mino izany fanafahan’Andriamanitra izany. Ireto avy izany vokatsoa izany araka izao mofonaina izao

  1. Tonga mpanompon’Andriamanitra (and 22)

« Fa ankehitriny, rehefa natao afaka tamin’ny ota hianareo ka efa tonga mpanompon’Andriamanitra »

Tsy tokony hohadinoina fa fony mbola tao anatin’ny fahotana ny mino dia mpanompon’ny ota, izany hoe nanao izay sitrapon’ny fahotana, nanao izay danin’ny kibo. Noho izany dia tonga mpandrafy an’Andriamanitra izy ka tafiditra ao amin’ny tontolon’ny fahafatesana. Ny ahafahan’ny mino manompo an’Andriamanitra kosa no hanafahan’Andriamanitra azy. Raha mbola fatoran’ny fahotana mantsy ny mino dia tsy ho afaka hanompo an’Andriamanitra tsara araka ny tokony ho izy. Ilay fanafahana eto no mahatonga amin’ny sehatry ny fanompoana an’Andriamanitra.

Aoka hahatsiaro ny hasarobidin’ny asan’Andriamanitra izay nanafaka antsika tamin’ny gejan’ny fahotana isika ka hitondra tena mendrika izany asan’Andriamanitra izany. Aoka koa izay rehetra efa nohafahan’Andriamanitra hitandrina tsara mba tsy hiverina hifatotra indray na hiverina hogejain’ny fahotana indray.

  1. Mahazo fiainana mandrakizay (and 22,23)

« dia manana ny vokatrareo ho amin’ny fahamasinana, ary ny farany dia fiainana mandrakizay. 23 Fa fahafatesana no tambin’ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika »

Matanjaka be ao amin’ny asa soratr’i Paoly ny hoe hamarinin’Andriamanitra amin’ny finoana ny mino. Noho ny finoana an’i Jesoa Kristy dia tonga marina eo anatrehan’Andriamanitra ny mino. Ny finoana rahateo no fepetra ahafahan’ny mino miditra sy mandova ny fiainana mandrakizay. Koa izay rehetra afaka ka tonga amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy no handova izany fiainana mandrakizay izany.

Soa fa niasa Andriamanitra ka nanafaka antsika tamin’ny herin’ny fahotana. Tsy manana hery, tsy manana ny ho enti-manana ho enti-mandresy ny fahotana mantsy isika olombelona amin’ny maha-olombelona antsika. Isaorana sy ankasitrahana mandrakariva Andriamanitra arak’izao noho ny asany mahagaga manamarina sy manafaka ny mino.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.