Mofon’aina – Alakamisy 02 martsa 2017

8 Fa maizina ianareo fahiny, fa efa mazava ao amin’ ny Tompo kosa ankehitriny; mandehana tahaka ny zanaky ny mazava9 (fa ny vokatry ny mazava dia ao amin’ ny fahatsarana rehetra sy ny fahamarinana ary ny fahitsiana),10 mamantatra izay ankasitrahan’ ny Tompo.11 Ary aza miray amin’ ny asan’ ny maizina tsy mahavoka-tsoa, fa aleo mananatra izany.12 Fa izay ataony ao amin’ ny miafina, dia mahamenatra na dia ny milaza izany aza.13 Fa ny zavatra rehetra, raha anarina, dia asehon’ ny mazava; fa na inona na inona aseho dia mazava.14 Koa izany no ilazany hoe: Mifohaza ianao izay matory, Ary mitsangàna amin’ ny maty, Dia hampahazava anao Kristy.15 Koa tandremo tsara izay fandehanareo, mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry,16 ka hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao fiainana izao.17 Ary noho izany dia aza manao adaladala, fa aoka ho fantatrareo izay sitrapon’ ny Tompo.18 Ary aza ho mamon-divay ianareo, fa amin’ izany dia misy fanaranam-po amin’ ny ratsy, fa aoka hofenoina ny Fanahy,19 ka mifampilazà amin’ ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, dia mihira sy mikalo ao am-ponareo ho an’ ny Tompo,20 misaotra an’ Andriamanitra Ray mandrakariva noho ny zavatra rehetra, amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy Tompontsika,21 sady mifanaiky amin’ ny fahatahorana an’ i Kristy,
EFESIANA 5 :8-21

NY MPINO MANDRESY NY AIZINA

Paoly Apostoly eto no manoratra, mananatra ny mpino kristiana mba tsy ho latsaka ao anatin’ny aizina indray. Efa nandray ny mazava ny kristiania ka tokony hiaina araka izany fahazavana tao amin’i Jesoa Kristy izany.

1-Miaina amin’ny fiainana miavaka

Aseho eto ny anjara toerana misy ny mpino. Ny olona mifandray amin’ Andriamanitra dia manana toetra tena miavaka tokoa raha oharina amin’ny olon’izao tontolo izao. Efa nandray Ilay Mazava ka tonga zanaky ny mazava. Mandresy ny aizina noho izany tsy mandeha amin’ny fiainan’izao tontolo izao intsony. Mizotra ho amin’ny fahazavana mandrakariva. Taomina àry isika mba handeha amin’ny fiainan’ny zanaky ny mzava ka handresy ny asan’ny maizina mandrakariva.

2-Mitondra fahazavana ho an’ny hafa

Mbola maro ireo sokajin’olona voafatotry ny asan’ny maizina . Anarina sy ampirisihana araka izany ny zanaky ny mazava mba haneho eo amin’ny fiainany ny fahazavana noraisiny mba hanazava sy hanafaka ireo sokajin’olona mbola voafatotry nyb aizina. Raha mijoro ho tena fahazavana tokoa mantsy isika kristiana efa nandresy ny aizina dia ho maro ireo hahita ny mazava ka handray ny famonjena ao amin’i Jesoa Kristy , Ilay nanendry antsika ho fahazavan’izao tontolo izao .

Fanontaniana:

Nahoana no misy ny mpino kristiana tsy afaka mijoro ho vavolombelon’ny fahazavana noraisiny ?
Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !