MOFON’AINA ALAKAMISY 02 MAY 2019

1 Miangòna, eny, mivoria ianareo, Ry firenena tsy manan-kenatra 2 Dieny tsy mbola mihatra ny didy (Mihelina toy ny akofa ny andro!), Dieny tsy mbola tonga aminareo ny fahatezerana mafin’i Jehovah, Eny, dieny tsy mbola tonga aminareo ny andro firehetan’ny fahatezeran’i Jehovah. 3 Mitadiava an’i Jehovah, ianareo mpandefitra rehetra amin’ny tany, Izay efa nanaraka ny fitsipiny Tadiavo ny fahamarinana, Tadiavo ny fandeferana; Angamba ho voafina ianareo amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah.
ZEFANIA 2 : 1-3

FIAROVAN-TENA AMIN’NY FAHATEZERAN’ANDRIAMANITRA

Zefania dia naminany tamin’ny faramparan’ny taonjato faha-7 talohan’i Jesoa Kristy. Tamin’izany fotoana izany dia tena nandalo fotoan-tsarotra sy namaivay ny fanjakan’i Joda. Nametra-panontaniana ireo vahoaka tao Joda raha tena mbola mitondra ny tantaran’ny firenena nofidiany tokoa ny Tompo na tsia. Teo anatrehan’izany dia naminany Zefania fa ho avy hitsara ny mponin’i Jerosalema sy i Joda ny Tompo (Zef 1. 1 – 2.3), ary ho avy ihany koa hamotika ireo vahoaka mpifanila amin’i Joda. Rehefa vitan’ny Tompo izany dia hamerina indray ny fiandrianan’i Jerosalema Izy.

 Ahoana ary araka izao tenin’Andriamanitra voalahatra izao no fomba iarovan-tena amin’ny fahatezeran’Andriamanitra?

  1. Mitady ny Tompo (and 3)

DIEM « Mitadiava ny Tompo ianareo rehetra »

Ny hoe mitady raha jerena ny heviny dia ezaka ataon’ny olona iray mba hifandraisany indray amin’Andriamanitra. Rehefa manomboka mitady an’Andriamanitra mantsy ny olona dia miezaka misaraka amin’izao tontolo izao izy. Miala amin’ny fanaon’izao tontolo izao izay tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Isaia dia nilaza mazava fa « Fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin’Andriamanitrareo, ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo, ka dia tsy mihaino Izy »( Isa 59 : 2).Noho ny fahotana araka izao dia tsy hita ny Tompo, noho izany ny ezaka fitadiavana ny Tompo dia tena ezaka fialàna amin’ny faharatsiana sy ny fahotana. Rehefa tafala amin’ny ratsy ny olona dia azo heverina araka izao fampianaran’Isaia izao fa hiverina hahita ny tavan’ny Tompo indray izy. Noho izany, ho fiarovan-tena amin’ny fahatezeran’Andriamanitra dia handeha hiezaka hiala amin’ny fahotana ka hitady marina ny Tompo.

  1. Manao ny marina (and 3)

DIEM « manaova ny marina »

Ny hoe manao ny marina dia tsotra, manao ny zavatra rehetra araka ny fahamarinana, manao ny zavatra rehetra araka ny sitrapon’Andriamanitra izay hany marina, manao ny zavatra rehetra araka ny Filazantsara, araka izay nanafaran’i Jesoa Kristy. Ny fanaovana ny marina dia ezaka ataon’ny olona hampifanandrify izay ataony amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Voaaro amin’ny fahatezeran’Andriamanitra izay rehetra mahatanteraka izany.

Ny tena mahafinaritra dia ny mahita ao amin’ny Soratra Masina, indrindra ao amin’ny filazantsara fa Jesoa Kristy raha teto amin’izao tontolo izao dia tena nanao ny marina. Ny zavatra rehetra notanterahiny sy nataony dia nifanandrify avokoa tamin’ny sitrapon’Andriamanitra, tsy nisy nanohitra izany na dia iray aza. Izy raha teto amin’izao tontolo izao dia namela modely halain-tahaka ny amin’ny fanaovana ny marina. Raha te hanao ny marina isika dia tsy maintsy haka tahaka Azy, raha te hahavita ny marina isika dia tsy maintsy hitafy ny heriny hahefantsika izany.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.