Mofon’aina – ALAKAMISY 02 NOVAMBRA 2017

9 Nefa, ry malala, na dia miteny izany aza izahay, dia manantena zavatra tsara ny aminareo, dia izay momba ny famonjena.10 Fa Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany, raha nanompo ny olona masina hianareo sady mbola manompo ihany.11 Ary mbola irinay ianareo rehetra samy haneho izany fahazotoana izany mba hahazo ny fahatokiana be ny amin’ ny fanantenana hatramin’ ny farany;12 mba tsy hiketraka ianareo, fa hanahaka ireo mandova araka ny teny fikasana amin’ ny finoana sy ny faharetana.13 Fa Andriamanitra nanao teny fikasana tamin’ i Abrahama ary satria tsy nisy lehibe noho ny tenany izay azony nianianana, dia nianiana tamin’ ny tenany Izy14 ka nanao hoe: « Hitahy anao tokoa Aho ary hahamaro dia hahamaro anao ».15 Ary araka izany, rehefa naharitra tsara Abrahama, dia nahazo ny teny fikasana.
HEBREO 6 :9-15

Manantena  zavatra  tsara  amin’ny mpino  ny  Tompo  eo am-piandrasana  ny fiverenany indray. Noho izany, andeha:

1-Hanompo  amin’ny fitiavana (and 10a)

Nantsoina  ho amin’ny asa fanompoana  an’ Andriamanitra  sy ny fanehoam-pitiavana  ny mino  . Atomboka  eo  amin’ny samy mpino  izany kanefa  koa   dia azo  hitarina eny anivon’ny fiaraha-monina. Tsy mahaketraka  ny manao izany  satria Andriamanitra tsy mba manadino  ny mpanompony Izay mikely aina  amin’ny fampandrosoana  ny fitiavana  sy ny asa tsara rehetra (and 12, 13,15).

2-Hanompo  ho Voninahitr’ Andriamanitra 

Hoy ny voalaza eto : « ny asanareo sy ny fitiavana nasehonareo  ho Voninahitry ny Anarany ». Raha  miasa sy maneho  fitiavana  ny mino  dia tsy  ho filan-dera  na ho fisehosehoana  na koa  ho fitadiavana laza  ho an’ny tenany  manokana. Manao  izany  ny mpino  satria ny fitiavan’i Kristy  no manery  azy sady  ho fanehoana ny Voninahitr’ Andriamanitra izay miasa  ao anatiny.

3-Hanompo  mandra-piavin’ny Tompo  (and 10b-11)

Tsy  vonjitavanandro  na zavatra miserana ny asa fanompoana sy ny fanehoam-pitiavana ataon’ny mpino. Fiainana izany  ka tokony  hatao  maharitra  sy mandra-piavin’ny  Tompo  mihitsy .Izany rahateo no mampiavaka ny fiangonana  amin’ny fikambana politika na fikambanana  mpanao asa soa.

Fanontaniana:

Inona no heverinao  ho asa fanompoana  sy fanehoam-pitiavana tokony imasoan’ny fiangonana ankehitriny ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !