MOFON’AINA ALAKAMISY 02 SEPTAMBRA 2021

1 Ny niandohan’ ny Filazantsaran’ i Jesoa Kristy, Zanak’ Andriamanitra.2 Araka izay voasoratra ao amin’ Isaia mpaminany hoe: Indro, Izaho maniraka ny irako hialoha Anao, Izay hamboatra ny làlanao;3 Injany! misy feon’ ny miantso mafy any an-efitra hoe: Amboary ny làlan’ i Jehovah. Ataovy mahitsy ny làlan-kalehany,4 dia niseho Jaona, izay nanao batisa tany an-efitra ka nitory ny batisan’ ny fibebahana ho famelan-keloka.5 Dia nandeha nanatona azy ny tany Jodia rehetra sy ny mponina rehetra tany Jerosalema, ka nataony batisa tao amin’ ny ony Jordana ireny, rehefa niaiky ny fahotany.6 Ary Jaona nitafy lamba volon-drameva; ary fehin-kibo hoditra no tamin’ ny valahany, ary ny fihinany dia valala sy tantely remby.7 Ary nitory izy ka nanao hoe: Avy ao aoriako Ilay mahery noho izaho, ka tsy miendrika hiondrika hamaha ny fehin-kapany aza aho.8 Izaho efa nanao batisa anareo tamin’ ny rano, fa Izy kosa hanao batisa anareo amin’ ny Fanahy Masina.
MARKA 1 :1-8

NY MAMPIAVAKA AN’I JAONA MPANAO BATISA

1-Iraka mpisava làlana izy :

« Indro Izaho maniraka ny irako hialoha anao, izay hamboatra ny làlanao » (Mal 3 :1 /Mar 1 :2). Isan’ireo mpanomana ny firotsahan’i Kristy amin’ny asa fanompoana masina izay miandry Azy i Jaona mpanao batisa. Lavitra aminy ny hanararaotra ny iraka nomena azy, ka notsoriny fa iraka ihany izy ary mpisava làlana. Anatra ho an’izay rehetra omena fahefana sy ampindramina fahefana izany, mba tsy ho sarotim-boninahitra alohan’izay naniraka azy . Maneho fahatanterahan’ny faminaniana efa voasoratra hatrizay izany .

2-Iraka mitory fibebahana

« Dia nandeha Jaona, izay nanao batisa tany anefitra ka hitory ny batisan’ny fibebahana ho famelankeloka » (and 4). Amin’i Jaona dia fomba iray ahafahana mandositra ny fahatezerana ho avy ny fialana amin’ireo toetra sy fahazaran-dratsy. Mariho fa ny ony Jordana voalaza eto dia tsy mba tahaka ireo ony rehetra fa io no fahatsiarovana ny fialana an’i Egypta ho any amin’ny tany Kanana. Ny ony etsy sy eroa dia tsy azo ampilaharina amin’i Jordana. Amin’izany ny hafatra entin’ny batisa izay maneho ny fialana amin’ny toerana teo aloha ka hisitraka fahasoavana vaovao no zava-dehibe fa tsy ny fakana tahaka an’i Jordana ara-bakiteny akory.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.