Mofon’aina – ALAKAMISY 03 AOGOSITRA 2017

14 Ary raha hanontany anao ny zanakao amin’ ny andro ho avy ka hanao hoe: Inona no anton’ izao? dia holazainao aminy hoe: Tànana mahery no nitondran’ i Jehovah antsika nivoaka avy tany Egypta, tamin’ ny trano nahandevozana;15 ary raha nanamafy ny fony ka tsy nandefa antsika Farao, dia novonoin’ i Jehovah ny lahimatoa rehetra tany amin’ ny tany Egypta, hatramin’ ny lahimatoan’ ny olona ka hatramin’ ny voalohan-teraky ny biby; koa izany no anaterako ho an’ i Jehovah ny lahy voalohan-teraka rehetra, fa ny lahimatoa rehetra amin’ ny zanako dia soloako.16 Ary ho famantarana eo amin’ ny tànanao sy ho fehy eo ambonin’ ny handrinao izany; fa tànana mahery no nitondran’ i Jehovah antsika nivoaka avy tany Egypta.
EKSODOSY 13 :14-16

TANANA MAHERY

« Tànana mahery  no nitondran’i Jehovah antsika nivoaka  avy tany Egypta, tamin’ny trano  nahandevozana  » (and 14)

1-Hanokanana ny voalohan-teraka

Nanjary lalàna  ny hanokanana ny voalohan-teraka rehetra  ho  an’i Jehovah. Tsy  noho  ny namonoana ny lahimatoa tao Egypta  anefa  fa  noho  ny tànana mahery  izay  namonjy  ny  Hebreo . I Jesoa Kristy  dia voalohan-teraka natolotra ho  an’ Andriamanitra araka ny Lioka 2 :23. Nanjary  voalohan-teraky  ny  zavatra rehetra Izy indrindra   lahimatoan’ny maty, ny  fitsanganana ary ny famonjena. I Jesoa Kristy  izany « Ilay tànana mahery »   manatsotra ny tànany hamonjy  antsika. Koa meteza  hifandray Aminy.

2-Atao  ho famantarana

Lehibe ny famonjena hotsaroana isan-taona, ampitaina amin’ny taranaka  fara mandimby  ary ho famantarana eo  amin’ny sandry  sy ny handrina (and 8-10). Ny momba ny filakitera izay  hoditra apetraka amin’ny sandry havia sy  eo  amin’ny handrina mirakitra  ireo lalàna  ho  famantarana  (Eks 13 :1-16; Deo 6 :4-9; 11; 13-21). manaraka amin’ny andavanandrom-piainan’ny  mpino  mihitsy  ny fahatsiarovana ny famonjen’ Andriamanitra. Raiso, iaino  ary ampitao  ny tànana maherin’ Andriamanitra miasa ho anao.

Fanontaniana:

Manao ahoana ny fahazotoantsika manatitra santa-bokatra ho an’ Andriamanitra ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !