Mofon’aina – ALATSINAINY 07 AOGOSITRA 2017

7 Ary fandrao hirehareha noho ny habetsaky ny fanambarana aho, dia nasiana tsilo tamin’ ny nofo, dia irak’ i Satana hamely ahy, fandrao hirehareha aho.8 Izany no nangatahako intelo tamin’ ny Tompo, mba hialan’ izany amiko.9 Nefa hoy Izy tamiko: Ampy ho anao ny fahasoavako; fa ny heriko dia tanterahina amin’ ny fahalemena. Koa mainka sitrako ny hirehareha amin’ ny fahalemeko, mba hitoeran’ ny herin’ i Kristy amiko.10 Koa dia finaritra aho amin’ ny fahalemena, amin’ ny fampahoriana, amin’ ny fahaterena, amin’ ny fanenjehana, amin’ ny fahantrana, noho ny amin’ i Kristy; fa ny fahalemeko no fahatanjahako.
2 KORINTIANA 12 :7-10

Mihamafy  ny fanazavan-kevitr’i Paoly tamin’ny maha-Apostoly azy. Raha toa ka mirehareha amin’ny amin’ny fahefany sy ny tanjany ireo Apostoly sandoka  i Paoly kosa amin’ny fahalemeny. Ny fahasoavana sy herin’i Kristy kosa no momba azy hatrany.

1-Ny fahasoavan’i Kristy ( and 7-9a)

Tsy nety  afaka tamin’i Paoly ny « tsilo » izay nampijaly  ny nofony . Toa an’i Kristy nangataka ny hanesorana ny kapoaka taminy  tao Getsemane (Mar 14 :32-41 ) dia tsy nesorina taminy izany. Ny fahasoavan’i Kristy kosa ampy  haharetany  sy hahazakany izany. Io fahasoavana io  no  miaraka aminy maharitra. Arakaraka ny fahalemen’ny mpino  no mampatanjaka ny fahasoavan’ Andriamanitra. Mitondra fahasambarana araka ny 1 Petera 4 :14.

2-Ny herin’i Kristy (and 9b-10)

Tsy nanana fahafinaretana ho azy  tao  amin’ireo  fijaliana nahazo  azy i Paoly. Fampahoriana, fahaterena, fanenjehana, fahantrana no nozakainy noho ny amin’i Kristy. Nitondra fifaliana ho  azy   anefa izany, satria io herin’i Kristy  io  no miasa sy miseho aminy. Ny herin’i Kristy mandresy  fahoriana sy fijaliana, eny  hatramin’ny fahafatesana aza dia noresen’i Kristy  ka levona . Manazava  izany ny 1 Kor 13 :4.

Fanontaniana:

Ny karazana fahalemena rehetra ve itoeran’ny fahasoavana sy ny herin’i Kristy avokoa ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !