Mofon’aina – ALAKAMISY 04 JANOARY 2018

1 An’ i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy. Izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy.2 Fa Izy no nanorina azy tambonin’ ny ranomasina. Tambonin’ ny rano no nampitoerany azy.3 Iza no hiakatra any an-tendrombohitr’ i Jehovah? ary iza no hitoetra ao amin’ ny fitoerany masina?4 Izay madio tanana sy mahitsy fo, izay tsy manandratra ny fanahiny ho amin’ ny lainga, na mianiana hamitaka.5 Handray fitahiana avy amin’ i Jehovah izy, ary fahamarinana avy amin’ Andriamanitry ny famonjena azy.6 Izany no taranaka mitady Azy, izay mitady ny tavanao, dia Jakoba.7 Asandrato ny lohanareo, ry vavahady, ary misandrata hianareo, ry varavarana fahagola, mba hidiran’ ny mpanjakan’ ny voninahitra.8 Iza izao Mpanjakan’ ny voninahitra izao? Jehovah mahery tsitoha, Jehovah mpiady mahery.9 Asandrato ny lohanareo, ry vavahady; ary manandrata ny lohanareo, ry varavarana fahagola, mba hidiran’ ny Mpanjakan’ ny voninahitra.10 Iza ary izao Mpanjakan’ ny voninahitra izao? Jehovah, Tompon’ ny maro, Izy no Mpanjakan’ ny voninahitra.
SALAMO 24 :1-10

Mampiseho ny herin’ Andriamanitra sy ny voninahiny ao Ziona ny Sal 24. Ny  tempoly no tondroiny amin’ny Ziona. Asehon’ity salamo  ity fa mpanjaka mahery sy be voninahitra ny Tompo. Na dia toy izany aza Izy dia ireto no azo marihana :

1-Azon’ny mpino hatonina sy hiaraha-monina Izy

Ny and 1-4 no hahazoana manakatra fa na dia Tompon’izao rehetra izao  , manana ny fahamboniany aza Izy ,dia azon’ny olona hatonina sy hiarahany monina . Ao an-tendrombohitra masina  na any amin’ny tempoly no hanatonana Azy sy hihaonana Aminy(and .3).Manerana ny bokin’ny Salamo no ahitana fa ny mino,antsoina hoe « marina » no hiditra ao  (Sal.118 :20).Ny mino sy ny olom-boafidiny no afaka manatona Azy sy mihaona Aminy(and.6).Isika no mpino ary isika   Fiangonana no olom-boafidiny sy nantsoiny tao amin’i Kristy.Afaka manatona Azy sy mihaona Aminy isika ao amin’ny Fiangonana.Omeo lanja ny maha -Fiangonana anao, mba hahitanao ny herin’ny Tompo miaro sy mitsimbina anao.

2.Azon’ny mpino iandrandrana famonjena sy fitahiana Izy

«  Handray fitahiana avy amin’i Jehovah izy, ary fahamarinana avy amin’Andriamanitry ny famonjena azy »(and.5). Raha tsorina tokoa ny dikanteny amin’ny and.5b dia izao : « …ary Andrimanitra Izay Mpamonjy azy dia handray azy ho toy ny olo-marina » .Sady hisitraka  fitahiana ny mpino no isehoan’Andriamanitra ho Mpamonjy .Koa afaka miandrandra sy misitraka famonjena sy fitahiana avy amin’ny Tompo ny mpino mazoto mihaona Aminy any amin’ny tempoliny.Mahery sy be voninahitra ny Tompo nefa azo  atonina ary mpitahy izay mazoto mitady Azy.

Fanontaniana :

Azo ampifandraisina amin’ity Salamo 24 ity ve ny Heb.10.25 ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !