Mofon’aina – ALAKAMISY 04 MAY 2017

1 Ny vehivavy hendry dia samy manao ny tranony; Fa ny adala kosa mandrava ny tranony amin’ ny tànany.2 Mandeha mahitsy izay matahotra an’ i Jehovah; Fa mivily lalana kosa izay maniratsira Azy.3 Eo am-bavan’ ny adala misy tsorakazon’ ny fiavonavonana; Fa ny molotry ny hendry miaro ny tenany.4 Raha tsy misy omby, dia foana ny fihinanam-bilona; Fa be ny fitomboan-karena azo amin’ ny herin’ ny omby.5 Ny vavolombelona mahatoky tsy mba mety mandainga; Fa mamoaka lainga kosa ny vavolombelona tsy mahatoky.6 Ny mpaniratsira mba mitady fahendrena, fa tsy mahita; Fa ny manan-tsaina mora mahazo fahalalana.7 Mialà eo anatrehan’ ny olona adala, Fa tsy ho hitanao aminy ny molotry ny fahalalana.8 Ny mitandrina ny alehany no fahendren’ ny mahira-tsaina; Fa fitaka ny hadalan’ ny adala.9 Ny adala ihomehezan’ ny fanati-panonerana; Fa ao amin’ ny marina no misy fankasitrahana.
OHABOLANA 14 :1-9

« MANDEHA MAHITSY  IZAY MATAHOTRA AN’I JEHOVAH » (and 2)

Vavolombelon’ny Tompo  ny olon-kendry. Izany  no azo  ambara  na dia  ny and 2 ihany aza no horasintsika. Vavolombelon’ny Tompo ny olon-kendry, satria :

1-Manompo an’ Andriamanitra izy 

« Mandeha mahitsy  izay matahotra an’i Jehovah » (and 2). Mitovy hevitra eto  ny hoe : olonkendry  sy ny olona matahotra an’i Jehovah. Ny olona  izay  matahotra Azy dia izay manompo Azy marina tokoa  sady mivavaka Aminy. Ireo olona manao ny asany   sy manatanteraka ny andraikiny  araka ny sitrapon’ Andriamanitra, sady mijoro ho vavolombelony. Manana fiainam-bavaka, ary mazoto mamonjy ny fiaraha-mivavaky ny fiangonana. Izany no porofo  manamarina fa tena vavolombelon’ny Tompo  ny olon-kendry. Faharoa : vavolombelon’ny Tompo ny olon-kendry satria :

2-Miaina sy mivelona mifanaraka amin’ny maha- mpino azy 

« Mandeha mahitsy  izay matahotra an’i Jehovah ». Ny olona mandeha mahitsy  dia izay manam-pahendrena  sady matahotra  an’i Jehovah, dia izay minia tsy manota   fa mitandrina tsara amin’ny ataony  sy amin’ny alehany  ka manatanteraka izany   araka ny sitrapon ‘ Andriamanitra. Jesoa irery ihany  no nahatanteraka izany (Heb 10 :7 ; Sal 40 :6-8), kanefa taomina isika hanahaka Azy  ary aza atao fanahy iniana ny hanota e ! Andeha hiaina  araka ny fitarihan’i Kristy  ka hankato  ny sitrapon’ Andriamanitra. Ataovy  àry  izany dia ho velona ianao.

Fanontaniana:

Sokajin’olona toa inona   no tokony  hijoro ho olon-kendry ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !