Mofon’aina – Alakamisy 05 janoary 2017

13 Ianareo no fanasin’ ny tany; fa raha ny fanasina no tonga matsatso, inona indray no hahasira azy? Tsy misy heriny hanaovana na inona na inona intsony izy, fa hariana any ivelany ka hohitsahin’ ny olona.14 Ianareo no fahazavan’ izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra.15 Ary koa, tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao ambanin’ ny vata famarana, fa apetrany eo amin’ ny fanaovan-jiro, ka dia mazava amin’ izay rehetra ao an-trano izany.16 Aoka hazava eo imason’ ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra.17 Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka.18 Fa lazaiko aminareo marina tokoa: Mandra-pahafoan’ ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho foana akory amin’ ny lalàna, na dia litera iray na tendron-tsoratra iray aza, mandra-pahatanterak’ izy rehetra.19 Ary amin’ izany na zovy na zovy no mamaha ny anankiray amin’ ireo didy madinika indrindra ireo ka mampianatra ny olona toy izany, dia hatao hoe kely indrindra amin’ ny fanjakan’ ny lanitra izy. Fa na zovy na zovy no mankatò sy mampianatra ireo dia izy no hatao hoe lehibe amin’ ny fanjakan’ ny lanitra.20 Fa lazaiko aminareo: Raha tsy mihoatra noho ny an’ ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin’ ny fanjakan’ ny lanitra mihitsy ianareo.21 Efa renareo fa voalaza tamin’ ny ntaolo hoe: Aza mamono olona; ary izay mamono olona dia miendrika hohelohina amin’ ny fitsarana.22 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra tezitra amin’ ny rahalahiny dia miendrika hohelohina amin’ ny fitsarana; ary na zovy na zovy no hanao amin’ ny rahalahiny hoe: Olom-poana ianao, dia miendrika hohelohina amin’ ny Synedriona; ary na zovy na zovy no hanao hoe: Foka ialahy, dia miendrika ho ao amin’ ny helo mirehitra afo.23 Ary amin’ izany, raha mitondra ny fanatitrao ho eo amin’ ny alitara hianao, ary eo no mahatsiaro fa ny rahalahinao manana alahelo aminao,24 dia avelao eo anoloan’ ny alitara ny fanatitrao, ka mandehana aloha, ataovy izay hihavananao amin’ ny rahalahinao, ary rehefa miverina, dia vao atero ny fanatitrao.25 Mihavàna faingana amin’ ilay manana ady aminao, raha mbola miara-dia aminy hianao, fandrao ilay manana ady aminao hanolotra anao amin’ ny mpitsara, ary ny mpitsara kosa hanolotra anao amin’ ny mpamatotra, ka hatao ao an-trano-maizina ianao.26 Lazaiko aminao marina tokoa: Tsy ho afaka ao mihitsy ianao, ambara-pandoanao ny variraiventy farany indrindra.
MATIO 5 :13-26

ASA TOKONYTANTERAHAN’NY KRISTIANINA

1.Fanasina sy fahazavàna :

Ny sira no manome tsiro : « Aoka hisy sira ao anatinareo » hoy Jeso Kristy (Marka 9.50) Ampitandremany isika mba tsy ho voasingotry ny rehak’izao tontolo izao ka ho very tsiro.Moa ve ny fiteninao mba mamy sira mandrakariva ka mikatsaka hatrany zay hampandrosoany hafa sy ny tenanao koa ? Ny fahazavàna no mandroaka ny aizina : Jeso Kristy no Fahazavàn’izao tontolo izao (Jaona 1. 9) ka izay rehetra mino Azy dia efa niala tao anatin’ny aizina satria lasa zanaky ny mazava, afaka manambara ny fiainan’i Kristy ao anatiny ety amin’izao tontolo izao.
Fanontaniana : Ahitàna izay fahazavàna izany ve ny fijoroanao vavolombelona eo amin’ny manodidina anao ?

2.Fankatoavana sy fampiharana ny Tenin’Andria-manitra :

Manaiky ny Tenin’Andriamanitra sy mankatoa ny lalàna Jeso kanefa dia manoro ny làlana tsara indrindra Izy (I Korintiana 12.31). Ny lalàna no manoro ny diso sy marina saingy mpihatsarivelatsihy kosa izay milaza fa mahatandrina tanteraka ny lalàna. Ny apostoly Paoly dia maninzingizina fa tsy ahazoana famonjena ny fitandremana ny lalàna (Galatiana 3. 23-25). Tsy misy afa-tsy ny finoana an’i Jeso Kristy irery ihany no hahazoana ny fanamarinan’Andriamanitra (Romana 3. 22-25).

3.Fampihavanana :

Tian’Andriamanitra ny mivavaka amin’ny fo tia fihavanana, mahay mifehy ny herisetra rehetra amin’ny namana ka miroso mandrakariva handravina ny olana eo amin’ny fiarahamonina.

Saintsaino :

Matio 5. 19

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.Amen !