Mofon’aina – ALAKAMISY 05 OKTOBRA 2017

1 Ary rehefa vitan’ i Solomona ny nanaovany ny tranon’ i Jehovah sy ny lapan’ ny mpanjaka araka izay rehetra efa niriny hatao,2 dia niseho tamin’ i Solomona indray Jehovah tahaka ilay nisehoany taminy tao Gibeona.3 Ary hoy Jehovah taminy: Efa reko ny vavakao sy ny fifonanao izay nataonao teo anatrehako; koa efa nohamasiniko ity trano nataonao ity mba hampitoerana ny anarako mandrakizay: ary ho amin’ ity mandrakariva ny masoko sy ny foko.4 Ary raha hianao handeha eo anatrehako tahaka ny nandehanan’ i Davida rainao tamin’ ny fahitsian’ ny fo sy ny fahamarinana ka hanao araka izay rehetra nandidiako anao ary hitandrina ny didiko sy ny fitsipiko,5 dia hampitoeriko mandrakizay amin’ ny Isiraely ny seza fiandrianan’ ny fanjakanao, araka ilay nolazaiko tamin’ i Davida rainao hoe: Tsy ho diso zanakalahy amin’ ny seza fiandrianan’ ny Isiraely ianao.
1 MPANJAKA 9 :1-5

                                                                                               MIHAINO SY  MAMALY VAVAKA ANDRIAMANITRA

Fotoana  voalazan’ny mpandinika   fa telo  ambin’ny folo  taona taorian’ny nitokanana ny Tempoly   no nahazoan’i Solomona  izao  valimbavaka izao. Andriamanitra  mihaino   vavaka   tokoa ny  Tompo  ary manana  fomba hanehoany  izany  amin’izay  mahatoky  Azy Izy  . Raisintsika  koa eto  izany   ny valin’ny vavaka  marina :

1-Handraisana  ny fahamasinan’ny Tompo  (and 3)

« Efa nohamasiniko   ity trano  nataonao ity ». Vavaka  marina  tokoa   ny manome Voninahitra  an’ Andriamanitra sy  ny mitondra fifonana  eo  anatrehany   fa izany   no hanamasinany   ny asa atao. Mety   tokoa ny manorin-trano  ho fanomezam-boninahitra  ny Tompo   sady ho fijoroana vavolombelona  amin’ny alalan’ny vavaka  fa tsy fitokiana  amin’ireo  mpitaiza  na mpanandro   . Fa mamaly vavaka tokoa ny toy izany  ny  Tompo  tahaka ny hitantsika eto. Izy  no  miaro  ny mpanompony  mandra-pahavitan’ny asa. Azo  antoka ny teny nomeny. Koa manàna finoana hanaovana asa ho Voninhaitry ny  Tompo.

2-Hahazoana  fampanantenana  vaovao (and 4-5)

« …hampitoeriko  mandrakizay  … ». Fikasan’ny  Tompo  ho an’ny mpanompony  rehetra  ny hampitoetra azy mandrakizay raha mihaino   sy  mankato  ny Teniny   ireo. Jesoa Kristy   no nanamafy  izany raha niteny  hoe:  « izay  maharitra  hatramin’ny farany  no hovonjena »  (Mat 24 :13). Izany  hoe: tokony handeha  mandrakariva  amin’ny fahamarinana  sy ny fahamasinana  omen’ny Tompo   isika  ary hijoro  ho vavaolombelony  fa mahery vavaka  ny mino  Azy  ka miharihary  ny valin’ny avvaka  natao .

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !