Mofon’aina – ALAKAMISY 06 APRILY 2017

6 fa zavatra marina amin’ Andriamanitra ny hamaly fahoriana izay mampahory anareo,7 ary ny hanome fitsaharana anareo izay ampahorina kosa mbamin’ ny tenanay, raha hiseho Jesoa Tompo, avy any an-danitra mbamin’ ny anjelin’ ny heriny,8 amin’ ny afo midedadeda, hamaly izay tsy mahalala an’ Andriamanitra sy izay tsy manaiky ny filazantsaran’ i Jesoa Tompontsika,9 dia olona izay hiharan’ ny famaliana marina dia fahaverezana mandrakizay avy amin’ ny fanatrehan’ ny Tompo sy ny voninahitry ny heriny,10 raha tonga Izy mba hankalazaina eo amin’ ny olony masina sy higagana eo amin’ izay rehetra mino amin’ izany andro izany, satria ninoana ny fanambaranay taminareo.
2 TESALONIANA 1 :6-10

HO AVY  NY TOMPO  HITSARA  IZAO TONTOLO IZAO

1-Andriamanitry ny fitsarana farany  ny Tompo

Manome toky  ny mpanompony  ny Tompo  amin’ny fahoriana sy ny  fiaretana atrehany  amin’ny fanarahana Azy (and 7). Izao  andro ankehitriny  izao dia andron’ny famindrampo, izay mitaona  ny olona rehetra  ho amin’ny fibebahana sy handray ny famelankeloka . Ho avy i Jesoa amin’ny andro  farany hitsara ny mino  sy ny tsy mino  Azy. Fiverenana manavaka ny olona masina sy ny tsy masina, dia olona rehetra ny  fiverenan’ny Tompo indray.

2-Andriamanitra marina ny Tompo

Fitsarana manome fitsaharana  ho an’ny kristiana  ny fitsarana farany. Mampahery  indrindra antsika izany  amin’ny fiatrehana  ny fireherehan’ny  mpanao ratsy  sy mankahala fahamarinana. Ho avy i jesoa  mba hanakalazaina  eo amin’ny olony masina (and10). Tsy  ho olona mitaraina  intsony  isika mino  aminn’y fahatongavan’i Jesoa fa ho feno  fifaliana  miaraka amin’ny anjely.

3-Andriamanitra  Mpamonjy   ny Tompo

Miharihary  ny olomboavonjy   amin’ny fahatongavan’i Jesoa Fanindroany  sy amin’ny andro farany .Tonga  amin’ny fitsaharana  feno  sy hifankahita  amin’i Jesoa Kristy  amin’ny fifaliana  sy ny firavoravoana  ny mino . Tsy  teny foana  satria ninoana  ny fanambaranay taminareo, hoy ny Apostoly (and10). Tanteraka sy feno  ny famonjena  ao amin’i Jesoa Kristy, rehefa  tafahaona aminy  amin’ny fiaviany  fanindroany isika.

Fanontaniana:

Ahoana no endriky  ny fifampaherezana kristiana mandra-piavin’ny Tompo ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !