MOFON’AINA ALAKAMISY 06 FEBROARY 2020

1 Izay hatramin’ny voalohany, dia izay efa renay, izay efa hitan’ny masonay, izay efa nojerenay sady efa notsapain’ny tananay, dia ny amin’ny Teny Fiainana 2 (fa efa naseho ny fiainana, ary efa nahita azy izahay, dia tonga vavolombelona ka manambara aminareo ny fiainana mandrakizay, izay tao amin’ny Ray ka efa naseho taminay),- 3 izay efa hitanay sy renay no ambaranay aminareo, mba hahazoanareo firaisana aminay koa; ary ny firaisanay dia amin’ny Ray sy amin’i Jesoa Kristy Zanany. 4 Ary izao zavatra izao no soratanay, mba ho tanteraka ny fifaliantsika. [fifalianareo]
1 JAONA 1 : 1-4

NY MAHA-IZY AZY AN’I JESOA KRISTY

Anisan’ny votoatin’ny Testamenta Vaovao ny fanambarana ny amin’i Jesoa Kristy. Omaly Jesoa dia nambara fa Filazantsara natao hotoriana amin’ny olona rehetra. Andriamanitra velona mandrakizay Izy ka tsy mety tratry ny lo intsony. Eto amin’izao Epistily ho an’ny fiangonana rehetra izao dia mbola milaza ny faha-izi-an’i Jesoa Jaona Apostoly. Jesoa dia

  1. Teny fiainana (and 1-3)

« Izay hatramin’ny voalohany, dia izay efa renay, izay efa hitan’ny masonay, izay efa nojerenay sady efa notsapain’ny tananay, dia ny amin’ny Teny Fiainana 2 (fa efa naseho ny fiainana, ary efa nahita azy izahay »

Jesoa aloha araka izay efa nanambaran’i Jaona azy tamin’ny voalohany any amin’ny filazantsara dia TENY no iantsoany Azy. Andriamanitra mihitsy Izy, ary tamin’ny alalany no nafahan’Andriamanitra nahary izao rehetra izao. Eto dia mazava tsara fa teny fiainana Jesoa, izany hoe teny mitondra fiainana aloha. Hoy Jaona any amin’ny Filazantsara mantsy: « Izy no nisiam-piainana ». Tamin’ny alalan’i Jesoa no nampisy fiainana teto amin’izao tontolo izao. Ary marina izany mandrake ankehitriny satria ny toerana rehetra misy an’i Jesoa no misy fiainana, izay tsy manana an’i Jesoa tsy misy fiainana. Tsy hoe mitondra fiainana fotsiny Jesoa fa tena manome fiainana mihitsy. Ny finoana Azy araka ny filazantsara no miantoka ny fiainana mandrakizay. Tsy fiainana eto an-tany ihany no azo avy amin’ny alalan’i Jesoa, fa tena mahazo ny mandrakizay mihitsy izao tontolo izao mihitsy noho ny amin’i Jesoa.

Tondroina ho persona ilay fiainana eto. Ho enti-manondro an’i Jesoa izy amin’izany. Ary ny tena mahafinaritra dia fiainana naseho Izy, tsy nafenina fa naseho mba hinoana Azy. Tsy teny manidina fotsiny arak’izany ny tenin’Andriamanitra fa tena miantoka fiainana ka azo tsapain-tanana sy mivaingana azo jerena amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.

Na iza na iza maniry fiainana dia tsy maintsy ho manana an’i Jesoa izy vao afaka mahazo izany, tsy misy fiainana marina raha tsy eo Jesoa. Raha misy maniry handova ny fiainana mandrakizay dia Jesoa irery no miantoka izany ho azy. Lova avy amin’Andriamanitra ho antsika ny fiainana mandrakizay ary Jesoa no manome azy. Hoy mantsy Jaona hoe: « fiainana mandrakizay no omen’Andriamanitra antsika, ary ao amin’i JESOA zanany izany fiainana izany »( 1 Jaona 5 : 11.)

  1. Teny fiainana natao hambara amin’ny hafa (and 2,3)

« fa efa naseho ny fiainana, ary efa nahita azy izahay, dia tonga vavolombelona ka manambara aminareo ny fiainana mandrakizay, izay tao amin’ny Ray ka efa naseho taminay,- 3 izay efa hitanay sy renay no ambaranay aminareo, mba hahazoanareo firaisana aminay koa »

Mazava be eto amin’izao andininy izao fa nisy vavolombelona nahita an’i Jesoa fiainana. Tsy hoe resaka fotsiny akory ny maha-fiainana an’i Jesoa fa ny hoe misy vavolombelona dia manambara ny fahamarinany. Ny maha-vavolombelona koa anefa eto dia mazava tsara fa miteraka andraikitra. Koa satria nahita dia manana adidy hizara, hanambara amin’ny hafa. Tsy mahazo mihazona izay hitany ny vavolombelona fa tsy maintsy mizara izany amin’ny hafa. Ary ny zavatra zaraina dia tsy maintsy izay navela ho hita sy tsapa. Tsy mahazo manampy, tsy mahazo manala. Jesoa araka izay nanehoan’Andriamanitra azy no tsy maintsy ambara.

Ny fiangonana ankehitriny no vavolombelona mahita, mahatsapa, mandre ny amin’i Jesoa. Adidin’ny kristianina ao amin’ny fiangonana arak’izany ny mizara an’i Jesoa, ny manambara marina an’i Jesoa amin’ny hafa rehetra. Tsy mahazo mihazona ny tena vavolombelona hoy isika, tsy maintsy milaza amin’ny hafa, mba hahatonga ny hafa hahazo fiainana avy amin’i Jesoa koa. Meteza ho vavolombelona mahatoky, mizara an’i Jesoa fiainana ho an’izao tontolo izao.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.