MOFON’AINA ALAKAMISY 06 JANOARY 2022

5 Ary izao no teny renay taminy ka ambaranay aminareo: Andriamanitra dia mazava, ary tsy misy maizina akory ao aminy.6 Raha hoy isika: Manana firaisana aminy isika, kanefa mandeha amin’ny maizina, dia mandainga isika ka tsy manao ny marina. 7 Fa raha mandeha eo amin’ny mazava isika, tahaka Azy eo amin’ny mazava, dia manana firaisana isika, ary ny ran’i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra. 8 Raha hoy isika: Tsy manana ota isika, dia mamita-tena, ary ny marina tsy ato anatintsika.9 Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsi-fahamarinana rehetra. 10 Raha hoy isika: Tsy nanota isika, dia mampandainga Azy, ary tsy ato anatintsika.
1 JAONA 1. 5-10

MANDEHANA ARAKA NY MAZAVA

Zava-dehibe mahakasika ny fahatanterahan’ny fiombonana amin’Andriamanitra sy ny fiombonan’ny samy mpino no ambaran’ny Soratra Masina ho antsika anio :

1-Andriamanitra dia mazava (and 5-7)

Ampifanoherin’ny mpanoratra ny mazava sy ny maizina. Ny mazava dia manambara an’Andriamanitra izay marina, sady madio no masina. Ny aizina kosa dia endriky ny fahotana sy ny tsy fahamarinana.Tsy afaka miaraka ny mazava sy ny maizina. Ny olona mandeha amin’ny maizina dia ireo izay miaina anaty fahotana sy fahalotoana, fa ny olona mandeha amin’ny mazava kosa dia izay miaina araka ny fahamarinan’Andriamanitra ao amin’ny teniny .Izay miezaka handeha araka ny mazava dia manana firaisana amin’Andriamanitra, sady afaka hanana fiombonana marina. Ka na misy aza ny tsy fahatanterahana, ny Ran’i Jesoa Kristy no manadio mba hananana firaisana Aminy.

2-Maneke hodioviny (and 8-10)

Melohina ho mpandainga sady mamita-tena izay milaza fa mpiombona amin’Andriamanitra, kanefa mandeha amin’ny maizina (and 6,8), sady mpandainga no mampandainga an’Andriamanitra .Misy mantsy karazan’olona izay tsy mba mety miaiky ny fahotany sy ny fahadisoany, fa mihambo ho tsy manana ota. Sakana lehibe tsy hahafahan’Andriamanitra manazava ny fiainany izany. « Raha miaiky ny fahotantsika isika dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra » (and 9). Ny hoe: « miaiky » dia mahatsapa tena fa diso ka maniry ny hodiovin’Andriamanitra .Amin’izany dia azo antoka fa hamela ny fahotantsika rehetra Izy.