Mofon’aina – ALAKAMISY 06 JOLAY 2017

1 Henoy ny teny izay lazain’ i Jehovah aminareo, ry taranak’ Isiraely!2 Izao no lazain’ i Jehovah: Aza mianatra ny fanaon’ ny jentilisa; Ary aza matahotra ireo famantarana eny amin’ ny lanitra; Fa ny jentilisa no matahotra izany.3 Fa ny fanaon’ ny firenena dia zava-poana; Fa hazo nokapaina tany an’ ala ireny, dia asan-tànan’ ny mpiasa amin’ ny famaky;4 Volafotsy sy volamena no an-dravahany azy, ary hombo sy tantanana no entiny manamafy azy, mba tsy hihetsiketehany.5 Toy ny hazo voasana ho sari-drofia izy, fa tsy mahateny; Ary entina ihany izy, fa tsy mba afa-mandeha; Aza matahotra azy, fa tsy mahatonga loza izy sady tsy mahay manisy soa.6 Tsy misy tokoa izay tahaka Anao, Jehovah ô; Lehibe Ianao, ary lehibe amin’ ny hery ny anaranao.7 Iza no tsy hatahotra Anao, ry Mpanjakan’ ny firenena! Fa Ianao no iendrehan’ izany, eny, amin’ ny hendry rehetra amin’ ny firenena sy amin’ ny fanjakany rehetra dia tsy misy tahaka Anao.8 Fa ketrina sy adala avokoa izy rehetra; He! fananaram-poana! fa tapa-kazo ihany.9 Volafotsy voafisaka nalaina avy tany Tarsisy sy volamena avy tany Ofaza Izany, asan-tanan’ ny mpiasa sy ny mpanefy volamena; Lamba manga sy volomparasy ny fitafiany; Asan’ ny mahay zavatra izy rehetra.10 Fa Jehovah no Andriamanitra tokoa, eny, Izy no Andriamanitra velona sy Mpanjaka mandrakizay. Izay mampihorohoro ny tany amin’ ny fahatezerany, ka tsy tantin’ ny firenena ny fahavinirany
JEREMIA 10 :1-10

MIJOROA HO VAVOLOMBELONA MANOLOANA NY SAMPY

Maro  ireo karazana  fanompoantsampy  nataon’ireo  jentilisa tamin’ny andron’i  Jeremia. Ary na dia  ankehitriny aza  dia mbola maro toy izany  hatrany  ny mpanompo sampy  izay  miara-monina  sy manodidina antsika kristiana. Izay rehetra maka ny toeran’ Andriamanitra ao am-pon’ny olona ka tomoiny sy lalainy fatratra  ary hanadinoiny an’ Andriamanitra dia sampy avokoa. Manoloana izany dia  mampianatra  antsika ny Tenin’ Andriamanitra mba hijoro ho vavolombelon’ny  Tompo  araka izao :

1-Aza mianatra ny  fanaon’ny jentilisa  (and 2,3)

Isika fiangonana  no fanasina sy  fahazavana  eo  anivon’ ny  fiaraha-monina  araka  ny nambaran’i Jesoa hoe:  « Ianareo  no fanasin’ny tany … » (Mat 5 :13). Koa raha isika  indray  no mila torohevitra sy miharoharo  fomba  amin’ireo mpanompo sampy  dia tena tsy izy  mihitsy izany. Tena tsy mety  amintsika,  izany hoe: sady kristiana  no mpanompo sampy. Tsy  isika  indray no hianatra ny fanaon’izao tontolo izao. Aoka isika  hijoro  ka ho  sahy  hanohitra ny fanompoan-tsampy amin’ny endriny rehetra.

2-Matahora  an’i Jehovah (and 7,10)

Maro  amin’ny olona  no matahotra razana  na sampy, eny fa  na dia  ny kristiana  sasany aza . Ny tahotra no anisany mahatonga ny olona hanatitra  tantely  na fotsimbary kely  na paraky sns… amin’ireny  toeram-panompoantsampy ireny.  « Andriamanitra irery no tokony hatahorana sy hajaina fatratra. Eny, Izy  no Andriamanitra velona sy mpanjaka mandrakizay  » (and 10). Ny fahatahorana an’ Andriamanitra dia mahatonga  antsika hatoky sy ho tia ary  hanatona Azy satria efa nanao fanekena tamintsika Izy, ary mitandrina izany amin’izay tia Azy (Deo 7 :9)

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !