MOFON’AINA ALAKAMISY 06 SEPTAMBRA 2018

1 Tamin’ ny taona nahafatesan’ i Ozia mpanjaka no nahitako ny Tompo nipetraka teo ambonin’ ny seza fiandrianana avo sady manerinerina, ary ny ebaneban’ akanjony nahafeno ny tempoly.2 Nisy serafima nitsangana teo amboniny, samy nanana elatra enina avy; ny roa nanaronany ny tavany, ny roa nanaronany ny tongony, ary ny roa nanidinany.3 Ary nanandratra ny feony izy ka nifamaly hoe: Masina, masina, masina Jehovah, Tompon’ ny maro; Henika ny voninahiny ny tany rehetra.4 Dia nihorohoro ny fanambanin’ ny tokonana noho ny feon’ ireo nanandratra ny feony; ary feno setroka ny trano.5 Dia hoy izaho: Lozako! maty aho! fa lehilahy maloto molotra, sady ato amin’ ny firenena maloto molotra no itoerako, fa ny mpanjaka, dia Jehovah, Tompon’ ny maro, no efa hitan’ ny masoko.6 Dia nanidina nanatona ahy ny serafima anankiray nitondra vainafo teny an-tànany, izay nalainy tamin’ ny tandra avy teo amin’ ny alitara.7 Ary natehiny ny vavako izany, ka hoy izy: Indro, efa nitehika tamin’ ny molotrao io; ka dia afaka ny helokao, ary voavela ny fahotanao.8 Ary nandre ny feon’ ny Tompo aho nanao hoe: Iza no hirahiko, ary iza no handeha ho irakay? Dia hoy izaho: Inty aho, iraho aho.
ISAIA 6 :1-8

Hoy Izy : « indro  efa nitehika tamin’ny molotrao io, ka dia afaka ny  helokao, ary  voavela ny fahotanao » and 7

1-Andriamanitra  feno fahamasinana (and 1-4)

Niseho tamin’ny  fiantsoana an’i Isaia  mpaminany Andriamanitra masina. Fahitana  feno  fiandrianan’ny fahamasinan’ Andriamanitra  no hitany . Ny seza fiandrianana sy ny ebaneban’ akanjo dia maneho ny  maha-Mapnjaka  Azy ary  ny  setroka nameno ny Tempoly maneho ny  maha- Andriamanitra  manatrika ny vahoakany Azy. Miharihary  eo amin’io fahamasinan’ Andriamantra io  ny elanelana misy eo  amin’ny fahalehibiazany sy  ny fahalemen’olombelona mpanota .Maneho izany fa avy amin’ Andriamanitra tanteraka ny  fiantsoana ny  mpanompony .Mampieritreritra ny mahita  ireo mpanompo samihafa  manira-tena sy manamasi-tena samirery.

2-Andriamanitra  mamela heloka (and 5-8)

Fiaraha- monina simban’ny  fahalovana sy nanjakan’ny faharatsiana no nanirahana an’i Isaia . Vaky vava izy raha niteny  fa « ato amin’ny  firenena maloto molotra no itoerako »  (and5), saingy  matoa Andriamanitra  manaiky  hifanena  mivantana ho hitany maso  dia Andriamanitra  akaiky ny vahoakany Izy , ary vonona  hamela izay rehetra mety ho  fahadisoany . Ny fiaikena fa diso anefa no fanalahidy lehibe handraisana ny famelankeloka atolotr’ Andriamanitra  (and 5,7). Ny  olona  voavela heloka  dia sahy  mandeha  amin’ny fahatokiana hanao  ny asan’ Ilay niantso azy .

Fanontaniana :

Azona Ifampizarana amin’ny hafa ve  ny fomba nentin’ Andriamanitra  niantsoana anao ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !