Mofon’aina – ALAKAMISY 07 DESAMBRA 2017

18 Tsy hamela anareo ho kamboty Aho; hankatỳ aminareo Aho.19 Vetivety foana dia tsy hahita Ahy intsony izao tontolo izao; fa ianareo no hahita Ahy; satria velona Aho, dia ho velona koa ianareo.20 Amin’ izany andro izany dia ho fantatrareo fa Izaho ao amin’ ny Raiko, ary ianareo ato amiko, ary Izaho ao aminareo.21 Izay manana ny didiko ka mitandrina izany, dia izy no tia Ahy; ary izay tia Ahy no ho tian’ ny Raiko, ary Izaho ho tia azy ka hiseho aminy.22 Hoy Jodasy (tsy Iskariota) taminy: Tompoko, nahoana no aminay ihany no hisehoanao, fa tsy amin’ izao tontolo izao koa?23 Jesoa namaly ka nanao taminy hoe: Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ary ny Raiko ho tia azy, ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy.24 Izay tsy tia Ahy dia tsy mitandrina ny teniko; ary ny teny izay renareo dia tsy Ahy, fa an’ ny Ray izay naniraka Ahy.
JAONA 14 :18-24

NY VAVOLOMBELON’NY TOMPO

Maro  ireo  fomba  ahafahana  mijoro  ho  fanasina  sy fahazavana   . Mampita hafatra  amintsika  amin’ ny alalan’ny Mofonaina  anio  ny Tompo, ary manambara  fa:

Ny tena vavolombelon’ny Tompo   dia :

1- Tia an’i Jesoa 

Izay tia Ahy  no tian’ny Raiko (Jao 14.31). Ny  fo   no foiben’ny aina  sy ny fihetsehana. Ao  no mitempo  fitiavana, ao  koa  no misy  ny fankahalana. Ny hoe: tia an’i  Jesoa  dia raiki-pitia Aminy tanteraka. Miara-paly  Aminy, miara-malahelo  Aminy. Izay  tian’i Jesoa dia tiany, izay halan’i Jesoa  dia halany.

2-Mitandrina  ny tenin’i Jesoa 

Izay  milaza  hoe: tia an’i Jesoa  nefa  tsy  mitandrina  ny teniny   dia mpan dainga. Nampianatra   antsika   ny  Soratra masina    fa ny  fitiavana ny  rahalahy   izay hitan’ny  masontsika  no hanombohana  ny fanehoana  ny fitiavana an’i Jesoa   : « izay  milaza  fa tia an’ Andriamanitra , nefa mankahala  ny rahalahiny dia mpandainga . Fa ataony ahoana no   hitia  an’ Andriamanitra izay  tsy hitany, nefa   ny rahalahiny izay hitany  aza tsy  tiany  ». Araka  izany  dia aseho   amin’ny marika  hita maso  sy azo tsapain-tànana ny fitiavana ny Tompo. Tsy ampy  ny fitiavana  eo  imolotra fotsiny. Tsy afa-misaraka  ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny fitiavana  ny namana fa mifampiankina sy mifameno.

Fanontaniana:

Inona avy ny hanehoanao ny fitiavana an’i Jesoa eo amin’ny fiainanao andavanandro?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !