Mofon’aina – ALAKAMISY 07 JIONA 2018

8 Ary manisà sabatan-taona fito ho anao, dia fito taona impito, ka ny hanisanao ny andron’ ireo sabatan-taona fito ireo dia sivy amby efa-polo taona.9 Dia mitsofa anjomara avo feo amin’ ny andro fahafolo amin’ ny volana fahafito; dia amin’ ny andro fanavotana no hitsofanareo anjomara eran’ ny taninareo.10 Ary hamasino ny taona fahadimam-polo, ka miantsoa fanafahana amin’ ny tany ho an’ ny mponina rehetra ao aminy; Jobily ho anareo izany, ka samia mody any amin’ ny taninareo avy ianareo sy any amin’ ny mpianakavinareo avy.11 Jobily ho anareo izany taona fahadimam-polo izany; aza mamafy ianareo, ary aza mijinja izay maniry ho azy avy tamin’ ny voa nihintsana tamin’ ny fararano lasa, ary aza mioty ny avy tamin’ izay tsy namboarinareo;12 fa Jobily izany ka ho masina ho anareo. Izay vokatra alaina any an-tsaha no hohaninareo.13 Amin’ izany taona Jobily izany dia samy hody amin’ ny taninareo avy ianareo.
LEVITIKOSY 25 : 8-13

JOBILY IAINANA

Mampianatra antsika ny Soratra Masina fa ny Jobily dia:

1-Taona Masina

« Fa Jobily izany ka ho masina ho anareo…  » (and. 12a) Aoka hiavaka eo amin’ny fiainan’ny Fiangonana izany taona izany. Tsy amin’ny alalan’ny  fihetsiketsehana sy ny fïtadiavam-bola ihany, fa indrindra amin’ny toe-panahy entina mankalaza Azy. Taona voatokana ho an ny Tompo ny taon-jobily. Fo voadio sy voasasan’ny ran’i Jesoa Kristy Tompo no mendrika hankalazana izany.

2-Fanafahana ny olona

Ny taon-jobily dia taom-panafahana ho an’ny olona. « Ary hamasino ny taona faha dimampolo, ka miantsoa fanafahana ho an’ny mponina rehetra ao aminy »(and.10). « Samy hody any amin’ny taniny sy ny mpianakaviny avy ny olona rehetra » (and. 13). Tsarovy fa mitsinjo ny olony ny Tompo ka manafaka azy amin’ny fanandevozana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.

3-Fanafahana ny tany

Avela hitsahatra ny tany, ka sady tsy asaina no tsy amafazana (and. 11). Atao izany mba hahazoan’ny tany tsiro indray, ary koa ho fampahatsiarovana fa « An’i Jehovah ny tany » (Sal.24). Fantaro fa misy olona tsy manana zara tany akory, fa ny hafa firenena indray no lasa tompony. Raha ny hafa Firenena aza nekena hanana tany eto, dia rariny raha manana tany any Madagasikara avokoa ny Malagasy ka ho afaka amin’ny fahantrana. Manana andraikitra amin’ny fanarenana izany ny Fiangonana.

Fanontaniana:

Ahoana ny hevitrao raha toa ka atao ho isaky ny faha fito taona ny taom-pankalazana eo amin’ny Fiangonana?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !