MOFON’AINA ALAKAMISY 07 NOVAMBRA 2019

8 Aza avela hisy tsy voaloa na amin’iza na amin’iza, afa-tsy ny fifankatiavanareo ihany; fa izay tia ny namany dia efa nahatanteraka ny lalàna. 9 Fa ny hoe: « Aza mijangajanga, aza mamono olona, aza mangalatra, aza mitsiriritra zavatr’olona » (Eks. 20. 13-17), mbamin’izay didy hafa rehetra, dia samy efa ao anatin’izao teny izao hoe: « Tiava ny namanao tahaka ny tenanao » (Lev. 19. 18). 10 Ny fitiavana tsy manisy ratsy ny namana; koa dia ny fitiavana no fahatanterahana ny lalàna. 11 Ary tokony hanao izany indrindra isika, satria fantatsika ny andro, fa ankehitriny izao dia ora tokony hifohazanareo amin’ny fahatoriana; fa ankehitriny ny famonjena antsika dia akaiky noho ny tamin’ny andro vao ninoantsika. 12 Efa ho lasa ny alina, ka efa mby akaiky kokoa ny andro, koa aoka hariantsika ny asan’ny maizina ka hitafiantsika ny fiadian’ny mazava. 13 Aoka isika hitondra tena tsara toy ny amin’ny andro; tsy amin’ny filalaovan-dratsy, na amin’ny fahamamoana, tsy amin’ny fijangajangana, na amin’ny fijejojejoana, tsy amin’ny fifandirana, na amin’ny fialonana. 14 Fa itafio Jesoa Kristy Tompo, ary aza miahy ny amin’ny nofo hahatanteraka ny filany.
ROMANA 13 : 8-14

MAHATSARA NY FIFANDRAISANA AMIN’NY HAFA NY FITIAVANA

Fototra iray izay tena manana ny maha-izy azy amin’ny fifandraisana amin’Andriamanitra sy amin’ny olona ny fitiavana. Ny olona be fitiavana dia ho tsara fifandraisana amin’Andriamanitra sy amin’ny mpiara-belona aminy. Raha miresaka fitiavana isika dia Jesoa no tena be fitiavana. Izany no nahatonga Azy ho tia an’Andriamanitra sy ny olona ary izao tontolo izao. Izay te hanana fitiavana arak’izao dia mila mifandray tsara sy manana an’i Jesoa, ilay fitiavan’Andriamanitra. Ireto no hafatry ny Tenin’Andriamanitra

  1. Mahatanteraka ny lalàna izay be fitiavana (and 8-10)

« izay tia ny namany dia efa nahatanteraka ny lalàna »

Manampy ny mino amin’ny fahaiza-manatanteraka ny lalàna na ny fitiavana. Misy mantsy izay takian’ny lalàna amin’ny olona. Ny fitiavany ny namany no hahatanterahany izany. Izany fitiavana izany rahateo no mahatonga ny olona

– Tsy hijangajanga: tsy mitaona ny hafa hanota na handika ny lalàna momba ny fitodrantena masina
– Tsy hamono olona: tsy mahery setra na manao izay tsy rariny sy tsy marina amin’ny olona
– Tsy hangalatra: tsy maka izay tsy an’ny tena ka mety hahatonga alahelo ho an’ny hafa
– Tsy hitsiriritra zavatr’olona: hahay hifehy tsara ny fihetseham-po sy izay mety ho filàna samihafa ao amin’ny tena

Tsy tokony hoadinoina fa manosika ho amin’ny fanimbana ny fifandraisana amin’ny hafa ireo fahotana ireo. Koa raha be fitiavana ny olona dia ho voasoroka izany rehetra izany, ary hovoahazona ny fahatsaram-pifandraisana amin’ny hafa. Jesoa no tena nanana fitiavana marina, izay ao Aminy no hanana ny fitiavany ka hahay hitia ny namany toa ny tenany.

  1. Mitafy an’i Kristy izay be fitiavana (and 11-14)

« Fa itafio Jesoa Kristy Tompo, ary aza miahy ny amin’ny nofo hahatanteraka ny filany »

Ny fitiavana koa mahatonga ny mino hifamato-piainana amin’i Kristy. Ny zavatra tiana mantsy no itafiana. Koa raha tiana Jesoa dia izany no mahatonga ny mino hitafy Azy. Ny hoe mitafy dia ho enti-milaza fifandraisana akaiky amin’i Kristy. Hanehoana fiombonana Aminy. Tombony maro tokoa mantsy no azon’izay manao izany. Eto moa dia tsy ahatanteraka ny filan’ny nofo izay mitafy an’i Kristy. Izany hoe manana asa fiarovana arak’izao ny fitafiana an’i Kristy. Fiarovana tokoa mantsy ny fitafiana.

– Miaro amin’ny endriky ny fakam-panahy maro

– Miaro amin’ny asan’ny ratsy sy ny faharatsiany

Anisan’izay asan’ny fitafiana koa ny maneho ho fantatr’olona ny maha’izy azy ilay mitafy. Ny fitafiana no mampiavaka ny rehetra amin’ny besinimaro. Ny fitafiana no mampiavaka ny miaramila – dokotera – mpiantra – sns … Tena ho enti-maneho ny maha-Kristianina koa ny fitafiana. Manampy be dia be amin’ny fitondrantena masina izany, manampy be dia be amin’izay tena hiavahana amin’izao tontolo izao.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.