Mofon’aina – ALAKAMISY 07 SEPTAMBRA 2017

1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:2 Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely mba hitondra fanatitra ho Ahy izy; dia avy amin’ ny olona rehetra izay amporisihin’ ny fony no handraisanareo ny fanatitra ho Ahy.3 Ary izao no fanatitra izay horaisinareo aminy: volamena sy volafotsy sy vara­hina,4 sy manga sy volomparasy sy mena sy rongony fotsy madinika sy volon’ osy,5 sy hoditr’ ondrilahy efa nomen’ aina sy hodi-takasy sy hazo akasia,6 sy diloilo hatao fanazavana sy zava-manitra ho amin’ ny diloilo fanosorana sy ho ditin-kazo mani-pofona,7 sy vato beryla sy vato halatsaka an-tranontranony amin’ ny efoda sy amin’ ny saron-tratra.8 Ary asaovy manao fitoerana masina ho Ahy izy, dia honina eo aminy Aho.9 Araka izay rehetra asehoko aminao, dia ny endriky ny tabernakely sy ny endriky ny fanaka rehetra momba azy, dia araka izany no hanaovanao azy.
EKSODOSY 25 :1-9

MIJOROA HO VAVOLOMBELONA AMIN’NY ASA

1-Araho  ny Tenin’ Andriamanitra  amin’izany 

Mazava ny   baiko  azon’i Mosesy :  « Mitenena   amin’ny Zanak’ Israely  » (and 1). Baiko  mitaona  ny vahoaka  rehetra samy handray anjara  ho enti-manangana ny tabernakely izany. Tsy tokony  hisy hialangalana  fa samy hitondra ny anjara birikiny rehetra , araka  ny fananany  sy ny fahaizany ary ny fanomezam-pahasoavany avy , kanefa  atao mifanaraka  tsara amin’ny baikon’ny Tompo  nampitondraina  an’i Mosesy izany . Nasaina nanao   ny  tabernakely   mifanaraka   tsara   amin’izay nasehon’ny Tompo azy koa i Mosesy  (and 9). Koa  samia manompo   sy mijoro  ho vavolombelona  amin’ny asa , kanefa  araho  ny  Tenin’ny Tompo  sy  ny sitrapony  amin’izay ataontsika .

2-Miasà  ho vavolombelon’ny  fiarahan’ny  Tompo  monina amintsika 

« Asaovy  manao fitoerana  masina  ho Ahy izy , dia  honina  eo Aminy Aho » (and 8). Ny Tabernakely  dia tempoly azo bataina  sy afindra  toerana , na  tempoly « finday » . Ny tempoly, ny tabernakely , ny Fiangonana  dia samy  mariky ny fiarahan’ny Tompo  monina  amin’ny vahoakany , satria  monina ao amin’ny Tompo  . Niaiky   izany i Jakoba  tao Betela  ka nanao hoe: « Ato   amin’ity  fitoerana ity   tokoa i Jehovah …tsy hafa ity   fa  tranon’ Andriamanitra  … » (Gen 28 :16, 17). Monina  eo  amintsika  ny  Tompo  rehefa  miasa  hampijoro ny Fiangonana isika ,  ary ny Fiangonana rahateo  no vatan’i Kristy ka mariky ny fiarahany monina amintsika .

Fanontaniana:

Inona  no toe-tsaina entintsika manangana Fiangonana ?

Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra. Amen !