Mofon’aina – ALAKAMISY 08 JONA 2017

1 Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin’ ny fitoerana iray izy rehetra.2 Ary nisy feo tonga tampoka avy tany an-danitra, toy ny rivotra mahery mifofofofo, ka nanenika ilay trano niangonany.3 Ary nisy lela maro mitarehin’ afo niseho taminy, izay nizarazara; ary nipetraka tamin’ izy rehetra isan-olona izany.4 Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka dia niteny tamin’ ny fiteny maro samy hafa, araka ny nampitenenan’ ny Fanahy Masina azy.
ASAN’NY APOSTOLY 2 :1-4

NY FANAHY MASINA  AVY  AMIN’NY TOMPO

Toe-javatra  niseho  tamin’ny andro Pentekosta  taorian’ny niakaran’i Jesoa Kristy any an-danitra  no hitantsika eto.

1-Omena  ny olona  miaina  amin’ny fitiavana 

Voalaza  fa miombona  teo amin’ny toerana  iray  ny mpianatra tamin’ny andro Pentekosta. Toerana  iray midika  fa miray  toerana, miray fo. Mifankatia, mifandray  tsara  ka indreo  tsy mahafoy ny fiombonana. Marihina  fa omen’ny Tompo  ho  an’ny mpianatra  ny Fanahy Masina  mba hahatonga  azy ireo ho vavolombelony. Ny fifankatiavana  no marika  maha- mpianatry ny Tompo .

2-Maneho  fa tsy manavaka  ny Tompo 

Misy  teny miverina matetika eto dia ny hoe: « izy rehetra ».ireo mpianatra rehetra  nino ny fitsangana’i Jesoa Kristy tamin’ny maty  no voalaza  amin’izany. Izy  rehetra ireo no niray toerana, ary izy rehetra ireo tsy  ankanavaka no nomena sy nandray  ny Fanhy Masina . Maneho  izany  fa tsy  manavakavaka ny Tompontsika. Manatanteraka hatrany  ny teny nomeny Izy. Matokia Azy.

3- Mampijoro  ho vavolombelona

Voalaza   eto fa nisy feo nifofofofo tampoka, lela maro mitarehin’afo izany no endrika  hita maso nahatongavan’ny Fanahy Masina tamin’ny mpianatra. Ny mahagaga rehefa  tonga tamin’ny mpianatra io lela mitarehion’afo  io  dia niteny, nanambara  ny asan’ Andriamanitra tamin’ny fitenim-pirenena  samihafa  ny mpianatra. Nanova  ny lelany ho amin’ny fijoroana  ho vavolombelon’ny Tompo ny Fanahy Masina.

Fanontaniana:

Nahoana  no nomena ny Fanahy Masina ny mpianatra?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.Amen !