MOFON’AINA ALAKAMISY 08 NOVAMBRA 2018

7 Ary soraty ho amin’ ny anjelin’ ny fiangonana any Filadelfia: Izao no lazain’ izay masina, Izay marina, Izay manana ny fanalahidin’ i Davida, Izay mamoha ka tsy hisy hanidy, ary manidy ka tsy misy mamoha:8 Fantatro ny asanao (indro, efa nasiako varavarana mivoha eo anatrehanao, ka tsy misy maharindrina azy), fa manana hery kely ihany hianao ka nitandrina ny teniko ary tsy mba nandà ny anarako.9 Indro, alaiko ny sasany amin’ ny synagogan’ i Satana, izay milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsy izy, fa mandainga, indro, hataoko tonga hiankohoka eo anoloan’ ny tongotrao ireo, ka ho fantany fa Izaho efa tia anao.10 Satria efa nitandrina ny teniko ny amin’ ny faharetana hianao, Izaho kosa hiaro anao ho voavonjy amin’ ny andro fakam-panahy izay efa hihatra amin’ izao tontolo izao ho fizahan-toetra izay monina ambonin’ ny tany.11 Ho avy faingana Aho; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satro-boninahitrao.12 Izay maharesy no hataoko andry eo amin’ ny tempolin’ Andriamanitro, ary tsy hiala eo intsony izy; ary hosoratako eo aminy ny anaran’ Andriamanitro sy ny anaran’ ny tanànan’ Andriamanitro, dia Jerosalema vaovao, izay midina avy any an-danitra avy amin’ Andriamanitro, ary ilay anarako vaovao.13 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ ny Fanahy amin’ ny fiangonana.
APOKALYPSY 3 : 7-13

HO AVY NY TOMPO

1- Ny fotoanan’ny fakam-panahy

Vanim-potoana fanenjehana ny kristiana no nanoratana ny Apokalypsy. Misy ireo izay mihevitra ny tenany fa Jiosy na mpivavaka marina sy miorina nefa «synagogan’i satana » na «fiangonan ‘i satana ». Manao tafìka masina ny Tompo haka azy ireo mba hiankohoka aminy ihany koa. Na kely hery aza ny fiangonan’i Filadelfia dia mitandrina sy maharitra amin’ny Tenin’ny Tompo (and 10). Misokatra ho an’ity fiangonana kely hery ity ny Fitoriana ny Filazantsara hitomboany hery sy hanangonany ny olona maro hiankohoka eo amin’ny Tompo. Efa nanokatra varavarana ho azy i Jesoa Kristy (l Kor 16 :9; Kol 4 :3).

2- Ny fiavian’ny Tompo

Fandresen’ny Fiangonana sy ny mpino ny fiavian’ny Tompo. Fanomezan’ Andriamanitra ny valisoa ho azy mino izany. Atao andry eo amin’ny tempolin’ Andriamanitra ny mino. soratana aminy ny anaran’ Andrimanitra vaovao ho marika fa Jesoa Krisly no Tompony. Izany rehetra izany dia filazan’ny Tompo, llay Tompo sady Lohan’ny Fiangonana fa tsy very maina ny fanompoana Azy. Voafetra ihany koa ny fotoan’ny fanalam-baraka tsy marina ny mpino sy ny Fiangonan’i Jesoa Kristy. Ankehitriny izao tontolo izao dia mihevitra fa tsy misy Andriamanitra, ka manao izay tiany hatao sy manenjika ny ny kristiana miorina tsara amin’ny Tenin’Andrimanitra. Manorina ny fanantenana kristiana, anefa, ny finoana fa ho avy ny Tompo.

Fanontaniana:
Ahoana no fisehoan’ny fanenjehana ny mino ankehitriny ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra !