Mofon’aina – ALAKAMISY 09 AOGOSITRA 2018

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Nataon’ i Davida, mpanompon’ i Jehovah, izay nilaza tamin’ i Jehovah ny tenin’ ity fihirana ity tamin’ ny andro namonjen’ i Jehovah azy tamin’ ny tanan’ ny fahavalony rehetra, indrindra fa tamin’ ny tanan’ i Saoly; dia hoy izy: mamiko indrindra Ianao, Jehovah Heriko ô.2 Jehovah no harambatoko sy batery fiarovana ho ahy ary Mpamonjy ahy; Andriamanitro, vatolampy ialofako, sy ampingako ary tandroka famonjena ahy sy fiarovana avo ho ahy.3 Miantso an’ i Jehovah izay mendrika hoderaina aho, ka dia vonjena ho afaka amin’ ny fahavaloko.4 Nihodidina tamiko ny famatoram-pahafatesana, ary ny riaky ny faharatsiana nampahatahotra ahy.5 Ny famatoran’ ny fiainan-tsi-hita nihodidina tamiko; nisakana ahy ny fandriky ny fahafatesana.6 Fony azom-pahoriana aho, dia niantso an’ i Jehovah, eny, Andriamanitro no nitarainako; nihaino ny feoko tao an-tempoliny Izy, ary ny fitarainako teo anatrehany dia efa tonga teo an-tsofiny.
SALAMO 18 :1-6

MIDERA AN’ ANDRIAMANITRA MPAMONJY

1-Tiavo amin’ny fonao rehetra Andriamanitra 

Manambara ny  fitiavany  feno  an’ Andriamanitra i Davida Mpanjaka. Jehovah no heriny  ka nahatonga  azy handresy  ny fanenjehana sy ny herisetra  nataon’i Saoly azy (2 Sam 22 :1-51). Ny fandresena ny fahavalo  sy ny  mpankahala dia ny fiderana an’ Andriamanitra sy ny  fanomezam-boninahitra Azy. Tsy ny  otri-po na ny valifaty na ny herisetra no handresena ny fahavalo fa ny fitiavana .

2-Matokia an’ Andriamanitra 

Tanisain’i Davida eto ny finoany  an’ Andriamanitra izy sady mpiaro azy amin’ny  mpankahala sy ny fahavalony no fiadiana mampandresy azy. Manambara izany fa tsy i Davida nomiady amin’ny fahavalony fa ny Tompo. Finoana lehibe izany. Amin’ny herisetra rehetra mihatra amintsika dia matokia ny  Mpamonjy, ary  aza miankina amin’ny herintsika. Matokia Azy  amin’ny fonao  rehetra dia handresy hatrany.

3-Miantsoa an’ Andriamanitra 

Andriamanitra velona ny Tompontsika. Miantsoa Azy  na ho  fiderana na ho  fitarainana (and 3-6). Mihaino ny vavaka  araka ny  sitrapony Izy ka manilika ny fahavalo sy  mametraka harato tsy  hidinantsika mpino amin’ny fahafatesana sy ny  fiainan-tsy hita (and 5). Akaiky  antsika Izy ary manara-maso  ny fiainan’ny  mpanompony  izay efa nofidiny. Mihaino sy  mijery any an-danitra Izy. Ny  lanitra no tempoly ambaran’ny  mpanao Salamo eto. Mifandraisa tsy tapaka amin’ny Tompo  amin’ny fivavahana sy ny fisaorana (1 Tes 5 :17).

Fanontaniana:

Ahoana  no  endrika hanehoantsika ny fitiavana an’ Andriamanitra  amin’ny fontsika manontolo ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !