MOFON’AINA ALAKAMISY 09 JANOARY 2019

12 Iza no lehilahy matahotra an’ i Jehovah? Izy no hampianariny izay lalana tokony hofidiny.13 Ny fanahiny hitoetra amin’ ny soa; ary ny taranany handova ny tany.14 Ny fisainan’ i Jehovah asehony amin’ izay matahotra Azy, ary ny fanekeny no hampahafantariny azy.15 Ny masoko mijery an’ i Jehovah mandrakariva; fa Izy no nanafaka ny tongotro tamin’ ny fandrika harato.
SALAMO 25 : 12-15

NY OLONA MAHAY MANAVAKA

Izay mitandrina amin’ny ataony mba hifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra no atao hoe : matahotra an’Andriamanitra. Koa ny olona matahotra an’Andriamanitra dia :

1 -Tonga mahay manavaka

« Izay no hampianariny izay lalana tokony ho fidiny » (and 12). Mahay misafidy sy mahay manavaka ny lalana tokony hizorany sy ny azony handehanana ny olona matahotra an’Andriamanitra, satria ampianariny. Manana ny Fanahin’ny fahaiza-manavaka, ka mahonon-tena sy mahafantatra ny tsara ataony. Ny olona matahotra an’Andriamanitra no azo antoka fa ialohavan’Andriamanitra lalana. Handroso eo alohanao aho hoy izy (Eks 23 : 23 ; Deo 9 : 3 ; 31 : 3 – 8), ary inoantsika fa ny Fanahy Masina no hitari-dalana izay matahotra Azy ho amin’ny tsara rehetra araka ny sitrapon’Andriamanitra (Jao 16 : 13)

2 – Eken’Andriamanitra ho olo-mahatoky

« Ny fisainan’I Jehovah asehony amin’izay matahotra Azy » (and 15). Ny hevitr’izany dia hoe : ametrahan’Andriamanitra fitokisany ny matahotra azy, ka ilazany tsiambaratelo sy zava miafina, ary ampandraisiny andraikitra lehibe. Izay mahatoky  amin’ny kely dia ho tendren’ny Tompo ho mpanapaka ny be (Mat 25 : 21 – 23 ; Lio 19 : 17). Ny olona matahotra an’Andriamanitra no ekeny ho mahatoky, ka ataony mpiara-miasa aminy.

Fanontaniana : 

Inona koa no ataon’ny Tompo amin’izay matahotra azy, eo amin’ny andininy 15b?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra !