MOFON’AINA ALAKAMISY 09 JOLAY 2020

13 Ary noho ny Tompo dia maneke izay rehetra voatendrin’ny olona, na ny mpanjaka, satria ambony izy, 14 na ny mpanapaka, satria nirahiny hamaly izay manao ratsy izy, fa ho mpidera izay manao tsara. 15 Fa toy izany no sitrapon’Andriamanitra, hampanginanareo ny tsi-fahalalan’ny olona adala amin’ny fanaovan-tsoa; 16 fa olona afaka ianareo, nefa aza mitondra ny fahafahanareo ho fanaronana ny ratsy, fa ho toy ny mpanompon’Andriamanitra. 17 Manajà ny olona rehetra. Tiava ny rahalahy. Matahora an’Andriamanitra. Manajà ny mpanjaka.
1 PETERA 2 : 13-17

OLON’AFAKA ISIKA

Anisan’ny olana fototra saro-bahana eo amin’ny fiainan’ny olona ny fahafahana. Sarotra ny hahatongavana amin’ny fahafahana tanteraka. Olon’afaka isika kristianina kanefa araka ny ambaran’i Petera eto dia tsy afaka manao izay tiantsika atao. Tsy voatery ho azon’ny kristianina atao avokoa ny zavatra rehetra na dia olon’afaka aza izy. Ny fahafahana kristianina rahateo araka ny fampianaran’i Petera dia tsy natao ho fanararaotana hanaovana ratsy, hanaovana zavatra mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Ireto no maha-olon’afaka ny mino

  1. Mitondra tena mendrika (and 16)

« Fa olona afaka ianareo, nefa aza mitondra ny fahafahanareo ho fanaronana ny ratsy, fa ho toy ny mpanompon’Andriamanitra »

Fomba iray ho enti-maneho ny maha-mpanompon’Andriamanitra antsika ny maha-olon’afaka antsika. Nafahan’i Jesoa tamin’ny herin’ny fahotana isika, nafahan’i Jesoa tamin’ny herin’ny fahafatesana isika. Dia ampianarin’i Petera hahay hitondra tena tsara mendrika izany fahafahana nomen’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jesoa izany. Tsy manao fitondrantena adaladala isika noho ny hasarobidin’ny fanafahan’Andriamanitra antsika. Mitaona antsika ho amin’ny fahamasinana, ho amin’ny fahamendrehana ny nanafahan’i Jesoa antsika.

  1. Manaja ny hafa (and 13,17)

« Ary noho ny Tompo dia maneke izay rehetra voatendrin’ny olona, na ny mpanjaka, satria ambony izy… Manajà ny olona rehetra… Manajà ny mpanjaka »

Ny hoe manaja ny hafa dia mametraka azy amin’ny toerana sahaza azy. Tsy manao tsinontsinona azy. Mametraka azy amin’ny voninahitra izay isalorany noho ny andraikiny, noho ny asany (mpanjaka izy). Fanajana ateraky ny fanekena ny fahefana nomen’Andriamanitra azy. Ankehitriny dia miseho lany ny tsy fahaiza-manaja ny hafa, zaza maniratsira lehibe, vahoaka manao tsinotsinona mpitondra, lehilahy tsy manaja vehivavy, sns… Marina fa miaina ao anaty rafi-piaraha-monina mandala ny fahalalahana isika, fa na izany aza, indrindra ho antsika kristianina dia tokony ho hita mandrakariva ny fahaiza-manaja ny hafa, indrindra izay mitondra.

  1. Matahotra an’Andriamanitra (and 17)

« Matahora an’Andriamanitra »

Tahotra vokatry ny fitiavana an’Andriamanitra, tahotra ateraky ny fanajana an’Andriamanitra ilay tahotra ambaran’i Petera eto. Anisan’ny zava-manahirana ankehitriny ny mieritreritra sy mahafantatra fa efa tsy dia manana tahotra intsony ny ankamaroan’ny olona. Isika kristianina dia tokony hihavaka amin’ny mpiarabelona amintsika. Ity tahotra an’Andriamanitra ity no anisan’izay tena tokony hampiavaka antsika. Io fatahorana an’Andriamanitra ity no ambaran’ny Soratra Masina fa fiandoham-pahendrena rahateo. Sady hiavaka no ho feno fahendrena ny mino noho izy matahotra an’Andriamanitra.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.